Exclusion From the Assembly

1. He that is wounded in the stones, or hath his privy member cut off, shall not enter into the congregation of the LORD.
1. Celui dont les testicules ont été écrasés ou l`urètre coupé n`entrera point dans l`assemblée de l`Éternel.
1. Tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
2. A bastard shall not enter into the congregation of the LORD; even to his tenth generation shall he not enter into the congregation of the LORD.
2. "Celui qui est issu d`une union illicite n`entrera point dans l`assemblée de l`Éternel; même sa dixième génération n`entrera point dans l`assemblée de l`Éternel."
2. Ny zazasary tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah: na dia hatramin' ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah.
3. An Ammonite or Moabite shall not enter into the congregation of the LORD; even to their tenth generation shall they not enter into the congregation of the LORD for ever:
3. L`Ammonite et le Moabite n`entreront point dans l`assemblée de l`Éternel, même à la dixième génération et à perpétuité,
3. "Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah; na dia hatramin' ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah mandrakizay;"
4. Because they met you not with bread and with water in the way, when ye came forth out of Egypt; and because they hired against thee Balaam the son of Beor of Pethor of Mesopotamia, to curse thee.
4. parce qu`ils ne sont pas venus au-devant de vous avec du pain et de l`eau, sur le chemin, lors de votre sortie d`Égypte, et parce qu`ils ont fait venir contre toi à prix d`argent Balaam, fils de Beor, de Pethor en Mésopotamie, pour qu`il te maudisse.
4. Satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an' i Balama, zanak' i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
5. Nevertheless the LORD thy God would not hearken unto Balaam; but the LORD thy God turned the curse into a blessing unto thee, because the LORD thy God loved thee.
5. "Mais l`Éternel, ton Dieu, n`a point voulu écouter Balaam; et l`Éternel, ton Dieu, a changé pour toi la malédiction en bénédiction, parce que tu es aimé de l`Éternel, ton Dieu."
5. Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an' i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Jehovah Andriamanitrao, satria notiavin' i Jehovah Andriamanitrao ianao.
6. Thou shalt not seek their peace nor their prosperity all thy days for ever.
6. Tu n`auras souci ni de leur prospérité ni de leur bien-être, tant que tu vivras, à perpétuité.
6. Aza mitady izay hiadanany, na izay hanambinana azy amin' ny andronao rehetra mandrakizay.
7. Thou shalt not abhor an Edomite; for he is thy brother: thou shalt not abhor an Egyptian; because thou wast a stranger in his land.
7. "Tu n`auras point en abomination l`Édomite, car il est ton frère; tu n`auras point en abomination l`Égyptien, car tu as été étranger dans son pays:"
7. "Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita fa rahalahinao izy; aza atao ho fahavetavetana ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin' ny taniny ianao."
8. The children that are begotten of them shall enter into the congregation of the LORD in their third generation.
8. les fils qui leur naîtront à la troisième génération entreront dans l`assemblée de l`Éternel.
8. Ny zafiafin' ireo dia hahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah.

Uncleanness in the Camp

9. When the host goeth forth against thine enemies, then keep thee from every wicked thing.
9. Lorsque tu camperas contre tes ennemis, garde-toi de toute chose mauvaise.
9. Raha mivoaka hiady amin' ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
10. If there be among you any man, that is not clean by reason of uncleanness that chanceth him by night, then shall he go abroad out of the camp, he shall not come within the camp:
10. "S`il y a chez toi un homme qui ne soit pas pur, par suite d`un accident nocturne, il sortira du camp, et n`entrera point dans le camp;"
10. Raha misy olona eo aminareo, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin' ny alina, dia hivoaka eny ivelan' ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
11. But it shall be, when evening cometh on, he shall wash himself with water: and when the sun is down, he shall come into the camp again.
11. sur le soir il se lavera dans l`eau, et après le coucher du soleil il pourra rentrer au camp.
11. "Fa izao no hisy rehefa hariva, dia handro amin' ny rano izy; ary nony maty masoandro, dia hiverina eo amin' ny toby indray izy."
12. Thou shalt have a place also without the camp, whither thou shalt go forth abroad:
12. Tu auras un lieu hors du camp, et c`est là dehors que tu iras.
12. "Ary aoka hisy tany koa eny ivelan' ny toby ho faritra fivoahanao;"
13. And thou shalt have a paddle upon thy weapon; and it shall be, when thou wilt ease thyself abroad, thou shalt dig therewith, and shalt turn back and cover that which cometh from thee:
13. Tu auras parmi ton bagage un instrument, dont tu te serviras pour faire un creux et recouvrir tes excréments, quand tu voudras aller dehors.
13. Ary mitondrà fàntaka miaraka amin' ny fiadianao, ka izao no hisy, raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin' ny fàntaka, ka totofy ny fivalananao.
14. For the LORD thy God walketh in the midst of thy camp, to deliver thee, and to give up thine enemies before thee; therefore shall thy camp be holy: that he see no unclean thing in thee, and turn away from thee.
14. "Car l`Éternel, ton Dieu, marche au milieu de ton camp pour te protéger et pour livrer tes ennemis devant toi; ton camp devra donc être saint, afin que l`Éternel ne voie chez toi rien d`impur, et qu`il ne se détourne point de toi."
14. "Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan' ny tobinao hanafaka anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy, ka hiala tsy ho aminao."

Miscellaneous Laws

15. Thou shalt not deliver unto his master the servant which is escaped from his master unto thee:
15. Tu ne livreras point à son maître un esclave qui se réfugiera chez toi, après l`avoir quitté.
15. "Aza atolotrao amin' ny tompony ny mpanompo izay mandositra ny tompony ho eo aminao;"
16. He shall dwell with thee, even among you, in that place which he shall choose in one of thy gates, where it liketh him best: thou shalt not oppress him.
16. Il demeurera chez toi, au milieu de toi, dans le lieu qu`il choisira, dans l`une de tes villes, où bon lui semblera: tu ne l`opprimeras point.
16. "Eo aminao no honenany, dia eo amin' ny toerana izay hofidiny amin' ny anankiray amin' ny vavahadinao, izay tiany indrindra; aza mampahory azy."
17. There shall be no whore of the daughters of Israel, nor a sodomite of the sons of Israel.
17. Il n`y aura aucune prostituée parmi les filles d`Israël, et il n`y aura aucun prostitué parmi les fils d`Israël.
17. Aoka tsy hisy ho mpijangajanga amin' ny zanakavavin' ny Isiraely, na ho sodomita amin' ny zanakalahin' ny Isiraely.
18. Thou shalt not bring the hire of a whore, or the price of a dog, into the house of the LORD thy God for any vow: for even both these are abomination unto the LORD thy God.
18. "Tu n`apporteras point dans la maison de l`Éternel, ton Dieu, le salaire d`une prostituée ni le prix d`un chien, pour l`accomplissement d`un voeu quelconque; car l`un et l`autre sont en abomination à l`Éternel, ton Dieu."
18. "Aza mitondra ny tangin' ny vehivavy janga, na ny vidin' alika, ho ao an-tranon' i Jehovah Andriamanitrao hanefana voady; fa samy fahavetavetana eo imason' i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo."
19. Thou shalt not lend upon usury to thy brother; usury of money, usury of victuals, usury of any thing that is lent upon usury:
19. Tu n`exigeras de ton frère aucun intérêt ni pour argent, ni pour vivres, ni pour rien de ce qui se prête à intérêt.
19. Aza mampanàna zavatra amin' ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra rehetra mety hampananaina.
20. Unto a stranger thou mayest lend upon usury; but unto thy brother thou shalt not lend upon usury: that the LORD thy God may bless thee in all that thou settest thine hand to in the land whither thou goest to possess it.
20. Tu pourras tirer un intérêt de l`étranger, mais tu n`en tireras point de ton frère, afin que l`Éternel, ton Dieu, te bénisse dans tout ce que tu entreprendras au pays dont tu vas entrer en possession.
20. "Ny olona hafa firenena no hampananànao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampananànao; mba hotahian' i Jehovah Andriamanitrao ianao amin' izay rehetra ataon' ny tananao eo amin' ny tany izay efa halehanao ho fanananao."
21. When thou shalt vow a vow unto the LORD thy God, thou shalt not slack to pay it: for the LORD thy God will surely require it of thee; and it would be sin in thee.
21. Si tu fais un voeu à l`Éternel, ton Dieu, tu ne tarderas point à l`accomplir: car l`Éternel, ton Dieu, t`en demanderait compte, et tu te chargerais d`un péché.
21. "Raha mivoady amin' i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin' i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao."
22. But if thou shalt forbear to vow, it shall be no sin in thee.
22. Si tu t`abstiens de faire un voeu, tu ne commettras pas un péché.
22. Fa raha tsy mivoady ianao dia tsy fahotana aminao izany.
23. That which is gone out of thy lips thou shalt keep and perform; even a freewill offering, according as thou hast vowed unto the LORD thy God, which thou hast promised with thy mouth.
23. Mais tu observeras et tu accompliras ce qui sortira de tes lèvres, par conséquent les voeux que tu feras volontairement à l`Éternel, ton Dieu, et que ta bouche aura prononcés.
23. "Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao; dia ny fanati-tsitrapo, araka izay efa nivoadinao tamin' i Jehovah Andriamanitrao, izay nampanantenainao tamin' ny vavanao."
24. When thou comest into thy neighbour's vineyard, then thou mayest eat grapes thy fill at thine own pleasure; but thou shalt not put any in thy vessel.
24. "Si tu entres dans la vigne de ton prochain, tu pourras à ton gré manger des raisins et t`en rassasier; mais tu n`en mettras point dans ton vase."
24. "Raha mankany amin' ny tanimboaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza asiana ny fitondranao."
25. When thou comest into the standing corn of thy neighbour, then thou mayest pluck the ears with thine hand; but thou shalt not move a sickle unto thy neighbour's standing corn.
25. Si tu entres dans les blés de ton prochain, tu pourras cueillir des épis avec la main, mais tu n`agiteras point la faucille sur les blés de ton prochain.
25. "Raha mankany amin' ny tanimbarimbazahan’ny namanao ianao, dia mahazo mioty varimbazaha amin' ny tananao ianao; fa aza jinjaina ny varimbazahan’ny namanao."
<
>