1. And the fifth angel sounded, and I saw a star fall from heaven unto the earth: and to him was given the key of the bottomless pit.
1. Le cinquième ange sonna de la trompette. Et je vis une étoile qui était tombée du ciel sur la terre. La clef du puits de l`abîme lui fut donnée,
1. "Ary nitsoka ny anjely fahadimy, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa."
2. And he opened the bottomless pit; and there arose a smoke out of the pit, as the smoke of a great furnace; and the sun and the air were darkened by reason of the smoke of the pit.
2. "et elle ouvrit le puits de l`abîme. Et il monta du puits une fumée, comme la fumée d`une grande fournaise; et le soleil et l`air furent obscurcis par la fumée du puits."
2. Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.
3. And there came out of the smoke locusts upon the earth: and unto them was given power, as the scorpions of the earth have power.
3. "De la fumée sortirent des sauterelles, qui se répandirent sur la terre; et il leur fut donné un pouvoir comme le pouvoir qu`ont les scorpions de la terre."
3. "Ary nisy valala nivoaka avy tamin’ny setroka nankamin’ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ny maingoka amin’ny tany."
4. And it was commanded them that they should not hurt the grass of the earth, neither any green thing, neither any tree; but only those men which have not the seal of God in their foreheads.
4. Il leur fut dit de ne point faire de mal à l`herbe de la terre, ni à aucune verdure, ni à aucun arbre, mais seulement aux hommes qui n`avaient pas le sceau de Dieu sur le front.
4. Ary nodidiana ireny mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany.
5. And to them it was given that they should not kill them, but that they should be tormented five months: and their torment was as the torment of a scorpion, when he striketh a man.
5. "Il leur fut donné, non de les tuer, mais de les tourmenter pendant cinq mois; et le tourment qu`elles causaient était comme le tourment que cause le scorpion, quand il pique un homme."
5. "Nefa tsy navela hahafaty azy izy ireo, fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan’ny maingoka, raha mamely olona."
6. And in those days shall men seek death, and shall not find it; and shall desire to die, and death shall flee from them.
6. "En ces jours-là, les hommes chercheront la mort, et ils ne la trouveront pas; ils désireront mourir, et la mort fuira loin d`eux."
6. Ary amin’izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona fa tsy hahita, ary haniry ho faty izy, fa handositra azy ny fahafatesana.
7. And the shapes of the locusts were like unto horses prepared unto battle; and on their heads were as it were crowns like gold, and their faces were as the faces of men.
7. "Ces sauterelles ressemblaient à des chevaux préparés pour le combat; il y avait sur leurs têtes comme des couronnes semblables à de l`or, et leurs visages étaient comme des visages d`hommes."
7. "Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana hoenti-miady; ary tamin’ny lohany nisy satroboninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan’olona."
8. And they had hair as the hair of women, and their teeth were as the teeth of lions.
8. Elles avaient des cheveux comme des cheveux de femmes, et leurs dents étaient comme des dents de lions.
8. Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an’ny liona.
9. And they had breastplates, as it were breastplates of iron; and the sound of their wings was as the sound of chariots of many horses running to battle.
9. Elles avaient des cuirasses comme des cuirasses de fer, et le bruit de leurs ailes était comme un bruit de chars à plusieurs chevaux qui courent au combat.
9. "Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin’ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ny ady."
10. And they had tails like unto scorpions, and there were stings in their tails: and their power was to hurt men five months.
10. Elles avaient des queues semblables à des scorpions et des aiguillons, et c`est dans leurs queues qu`était le pouvoir de faire du mal aux hommes pendant cinq mois.
10. "Ary nanan-drambo tahaka ny maingoka izy sady nisy fanindronana tamin' ny rambony; ary ny heriny no hampahoriany ny olona dimy volana."
11. And they had a king over them, which is the angel of the bottomless pit, whose name in the Hebrew tongue is Abaddon, but in the Greek tongue hath his name Apollyon.
11. Elles avaient sur elles comme roi l`ange de l`abîme, nommé en hébreu Abaddon, et en grec Apollyon.
11. "Ary nanana ny anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ny teny Hebreo dia Abadona fa amin’ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany."
12. One woe is past; and, behold, there come two woes more hereafter.
12. Le premier malheur est passé. Voici il vient encore deux malheurs après cela.
12. "Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa rehefa afaka izao."
13. And the sixth angel sounded, and I heard a voice from the four horns of the golden altar which is before God,
13. Le sixième ange sonna de la trompette. Et j`entendis une voix venant des quatre cornes de l`autel d`or qui est devant Dieu,
13. Ary nitsoka ny anjely fahenina, dia nahare feo avy tamin’ny tandroka efatry ny alitara volamena eo anatrehan’Andriamanitra aho,
14. Saying to the sixth angel which had the trumpet, Loose the four angels which are bound in the great river Euphrates.
14. et disant au sixième ange qui avait la trompette: Délie les quatre anges qui sont liés sur le grand fleuve d`Euphrate.
14. Nanao tamin’ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15. And the four angels were loosed, which were prepared for an hour, and a day, and a month, and a year, for to slay the third part of men.
15. Et les quatre anges qui étaient prêts pour l`heure, le jour, le mois et l`année, furent déliés afin qu`ils tuassent le tiers des hommes.
15. Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon’ny olona.
16. And the number of the army of the horsemen were two hundred thousand thousand: and I heard the number of them.
16. Le nombre des cavaliers de l`armée était de deux myriades de myriades: j`en entendis le nombre.
16. "Ary ny isan’ny miaramila an-tsoavaly dia roan-jato tapitrisa; nahare ny isany aho."
17. And thus I saw the horses in the vision, and them that sat on them, having breastplates of fire, and of jacinth, and brimstone: and the heads of the horses were as the heads of lions; and out of their mouths issued fire and smoke and brimstone.
17. "Et ainsi je vis les chevaux dans la vision, et ceux qui les montaient, ayant des cuirasses couleur de feu, d`hyacinthe, et de soufre. Les têtes des chevaux étaient comme des têtes de lions; et de leurs bouches il sortait du feu, de la fumée, et du soufre."
17. "Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ny fahitana sy izay nitaingina azy: manam-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny hyakinta ary ny solifara izy; ary ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; ary nisy afo sy setroka ary solifara nivoaka avy tamin’ny vavany."
18. By these three was the third part of men killed, by the fire, and by the smoke, and by the brimstone, which issued out of their mouths.
18. Le tiers des hommes fut tué par ces trois fléaux, par le feu, par la fumée, et par le soufre, qui sortaient de leurs bouches.
18. Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka avy tamin’ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona.
19. For their power is in their mouth, and in their tails: for their tails were like unto serpents, and had heads, and with them they do hurt.
19. "Car le pouvoir des chevaux était dans leurs bouches et dans leurs queues; leurs queues étaient semblables à des serpents ayant des têtes, et c`est avec elles qu`ils faisaient du mal."
19. "Fa ny herin’ny soavaly dia eo amin’ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady nanan-doha, ka ireny no entiny mampahory."
20. And the rest of the men which were not killed by these plagues yet repented not of the works of their hands, that they should not worship devils, and idols of gold, and silver, and brass, and stone, and of wood: which neither can see, nor hear, nor walk:
20. "Les autres hommes qui ne furent pas tués par ces fléaux ne se repentirent pas des oeuvres de leurs mains, de manière à ne point adorer les démons, et les idoles d`or, d`argent, d`airain, de pierre et de bois, qui ne peuvent ni voir, ni entendre, ni marcher;"
20. "Nefa ny olona sisa, izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin’ny asan’ny tanany, mba tsy hivavaka amin' ny devoly sy amin’ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;"
21. Neither repented they of their murders, nor of their sorceries, nor of their fornication, nor of their thefts.
21. et ils ne se repentirent pas de leurs meurtres, ni de leurs enchantements, ni de leur impudicité ni de leurs vols.
21. Ary tsy nibebaka tamin’ny namonoany olona izy ireo, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fahavetavetany, na tamin’ny halatra nataony.
<
>