1. And unto the angel of the church in Sardis write; These things saith he that hath the seven Spirits of God, and the seven stars; I know thy works, that thou hast a name that thou livest, and art dead.
1. Écris à l`ange de l`Église de Sardes: Voici ce que dit celui qui a les sept esprits de Dieu et les sept étoiles: Je connais tes oeuvres. Je sais que tu passes pour être vivant, et tu es mort.
1. Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Sardisy: Izao no zavatra lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty.
2. Be watchful, and strengthen the things which remain, that are ready to die: for I have not found thy works perfect before God.
2. "Sois vigilant, et affermis le reste qui est près de mourir; car je n`ai pas trouvé tes oeuvres parfaites devant mon Dieu."
2. "Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay efa ho faty; fa tsy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitra."
3. Remember therefore how thou hast received and heard, and hold fast, and repent. If therefore thou shalt not watch, I will come on thee as a thief, and thou shalt not know what hour I will come upon thee.
3. Rappelle-toi donc comment tu as reçu et entendu, et garde et repens-toi. Si tu ne veilles pas, je viendrai comme un voleur, et tu ne sauras pas à quelle heure je viendrai sur toi.
3. Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.
4. Thou hast a few names even in Sardis which have not defiled their garments; and they shall walk with me in white: for they are worthy.
4. "Cependant tu as à Sardes quelques hommes qui n`ont pas souillé leurs vêtements; ils marcheront avec moi en vêtements blancs, parce qu`ils en sont dignes."
4. "Kanefa misy anarana vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria mendrika izy."
5. He that overcometh, the same shall be clothed in white raiment; and I will not blot out his name out of the book of life, but I will confess his name before my Father, and before his angels.
5. "Celui qui vaincra sera revêtu ainsi de vêtements blancs; je n`effacerai point son nom du livre de vie, et je confesserai son nom devant mon Père et devant ses anges."
5. Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.
6. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches.
6. Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises!
6. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.
7. And to the angel of the church in Philadelphia write; These things saith he that is holy, he that is true, he that hath the key of David, he that openeth, and no man shutteth; and shutteth, and no man openeth;
7. Écris à l`ange de l`Église de Philadelphie: Voici ce que dit le Saint, le Véritable, celui qui a la clef de David, celui qui ouvre, et personne ne fermera, celui qui ferme, et personne n`ouvrira:
7. Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Filadelfia: Izao no zavatra lazain’Ilay masina, Ilay marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha ka tsy misy manidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:
8. I know thy works: behold, I have set before thee an open door, and no man can shut it: for thou hast a little strength, and hast kept my word, and hast not denied my name.
8. Je connais tes oeuvres. Voici, parce que tu a peu de puissance, et que tu as gardé ma parole, et que tu n`as pas renié mon nom, j`ai mis devant toi une porte ouverte, que personne ne peut fermer.
8. Fantatro ny asanao: Indro efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy, fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko, ary tsy mba nandà ny anarako.
9. Behold, I will make them of the synagogue of Satan, which say they are Jews, and are not, but do lie; behold, I will make them to come and worship before thy feet, and to know that I have loved thee.
9. "Voici, je te donne de ceux de la synagogue de Satan, qui se disent Juifs et ne le sont pas, mais qui mentent; voici, je les ferai venir, se prosterner à tes pieds, et connaître que je t`ai aimé."
9. Indro alaiko ireo avy amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10. Because thou hast kept the word of my patience, I also will keep thee from the hour of temptation, which shall come upon all the world, to try them that dwell upon the earth.
10. Parce que tu as gardé la parole de la persévérance en moi, je te garderai aussi à l`heure de la tentation qui va venir sur le monde entier, pour éprouver les habitants de la terre.
10. Satria efa nitandrina ny teny ny amin’ny faharetako ianao, Izaho kosa hiaro anao amin’ny oran’ny fakam-panahy izay hihatra amin’izao tontolo izao, ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany.
11. Behold, I come quickly: hold that fast which thou hast, that no man take thy crown.
11. Je viens bientôt. Retiens ce que tu as, afin que personne ne prenne ta couronne.
11. Indro, avy faingana Aho, tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
12. Him that overcometh will I make a pillar in the temple of my God, and he shall go no more out: and I will write upon him the name of my God, and the name of the city of my God, which is new Jerusalem, which cometh down out of heaven from my God: and I will write upon him my new name.
12. "Celui qui vaincra, je ferai de lui une colonne dans le temple de mon Dieu, et il n`en sortira plus; j`écrirai sur lui le nom de mon Dieu, et le nom de la ville de mon Dieu, de la nouvelle Jérusalem qui descend du ciel d`auprès de mon Dieu, et mon nom nouveau."
12. "Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema Vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro; ary hosoratako eo aminy ny anarako vaovao."
13. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches.
13. Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises!
13. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.
14. And unto the angel of the church of the Laodiceans write; These things saith the Amen, the faithful and true witness, the beginning of the creation of God;
14. Écris à l`ange de l`Église de Laodicée: Voici ce que dit l`Amen, le témoin fidèle et véritable, le commencement de la création de Dieu:
14. "Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonan' ny Laodikiana: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny famoronan' Andriamanitra;"
15. I know thy works, that thou art neither cold nor hot: I would thou wert cold or hot.
15. Je connais tes oeuvres. Je sais que tu n`es ni froid ni bouillant. Puisses-tu être froid ou bouillant!
15. "Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleoko ho mangatsiaka na ho mafana ianao."
16. So then because thou art lukewarm, and neither cold nor hot, I will spue thee out of my mouth.
16. Ainsi, parce que tu es tiède, et que tu n`es ni froid ni bouillant, je te vomirai de ma bouche.
16. Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka dia haloan’ny vavako ianao.
17. Because thou sayest, I am rich, and increased with goods, and have need of nothing; and knowest not that thou art wretched, and miserable, and poor, and blind, and naked:
17. Parce que tu dis: Je suis riche, je me suis enrichi, et je n`ai besoin de rien, et parce que tu ne sais pas que tu es malheureux, misérable, pauvre, aveugle et nu,
17. "Satria hoy ianao: Manankarena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy fadiranovana sy mahantra sy jamba ary mitanjaka;"
18. I counsel thee to buy of me gold tried in the fire, that thou mayest be rich; and white raiment, that thou mayest be clothed, and that the shame of thy nakedness do not appear; and anoint thine eyes with eyesalve, that thou mayest see.
18. je te conseille d`acheter de moi de l`or éprouvé par le feu, afin que tu deviennes riche, et des vêtements blancs, afin que tu sois vêtu et que la honte de ta nudité ne paraisse pas, et un collyre pour oindre tes yeux, afin que tu voies.
18. Dia manoro hevitra anao Aho hividy Amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanankarena ianao, ary fitafiana fotsy hotafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao, mba hahiratanao.
19. As many as I love, I rebuke and chasten: be zealous therefore, and repent.
19. Moi, je reprends et je châtie tous ceux que j`aime. Aie donc du zèle, et repens-toi.
19. "Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha."
20. Behold, I stand at the door, and knock: if any man hear my voice, and open the door, I will come in to him, and will sup with him, and he with me.
20. Voici, je me tiens à la porte, et je frappe. Si quelqu`un entend ma voix et ouvre la porte, j`entrerai chez lui, je souperai avec lui, et lui avec moi.
20. "Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko."
21. To him that overcometh will I grant to sit with me in my throne, even as I also overcame, and am set down with my Father in his throne.
21. Celui qui vaincra, je le ferai asseoir avec moi sur mon trône, comme moi j`ai vaincu et me suis assis avec mon Père sur son trône.
21. Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny sezafiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny sezafiandrianany.
22. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches.
22. Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises!
22. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.
<
>