1. Now we beseech you, brethren, by the coming of our Lord Jesus Christ, and by our gathering together unto him,
1. Pour ce qui concerne l`avènement de notre Seigneur Jésus Christ et notre réunion avec lui, nous vous prions, frères,
1. Ary miangavy anareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
2. That ye be not soon shaken in mind, or be troubled, neither by spirit, nor by word, nor by letter as from us, as that the day of Christ is at hand.
2. de ne pas vous laisser facilement ébranler dans votre bon sens, et de ne pas vous laisser troubler, soit par quelque inspiration, soit par quelque parole, ou par quelque lettre qu`on dirait venir de nous, comme si le jour du Seigneur était déjà là.
2. Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina ianareo, na amin’ny fanahy, na amin’ny teny, na amin’ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa akaiky ny andron’i Kristy.
3. Let no man deceive you by any means: for that day shall not come, except there come a falling away first, and that man of sin be revealed, the son of perdition;
3. "Que personne ne vous séduise d`aucune manière; car il faut que l`apostasie soit arrivée auparavant, et qu`on ait vu paraître l`homme du péché, le fils de la perdition,"
3. "Aza mety hofitahin’olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,"
4. Who opposeth and exalteth himself above all that is called God, or that is worshipped; so that he as God sitteth in the temple of God, shewing himself that he is God.
4. l`adversaire qui s`élève au-dessus de tout ce qu`on appelle Dieu ou de ce qu`on adore, jusqu`à s`asseoir dans le temple de Dieu, se proclamant lui-même Dieu.
4. Izay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
5. Remember ye not, that, when I was yet with you, I told you these things?
5. Ne vous souvenez-vous pas que je vous disais ces choses, lorsque j`étais encore chez vous?
5. Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
6. And now ye know what withholdeth that he might be revealed in his time.
6. Et maintenant vous savez ce qui le retient, afin qu`il ne paraisse qu`en son temps.
6. Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana mba hampisehoana azy amin’ny fotoan’androny.
7. For the mystery of iniquity doth already work: only he who now letteth will let, until he be taken out of the way.
7. "Car le mystère de l`iniquité agit déjà; il faut seulement que celui qui le retient encore ait disparu."
7. Fa miasa sahady ny zava-miafin’ny faharatsiana, kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy.
8. And then shall that Wicked be revealed, whom the Lord shall consume with the spirit of his mouth, and shall destroy with the brightness of his coming:
8. Et alors paraîtra l`impie, que le Seigneur Jésus détruira par le souffle de sa bouche, et qu`il anéantira par l`éclat de son avènement.
8. "Ary dia haseho ilay tena Ratsy Fanahy izay holevonin’ny Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny voninahitry ny fiaviany;"
9. Even him, whose coming is after the working of Satan with all power and signs and lying wonders,
9. L`apparition de cet impie se fera, par la puissance de Satan, avec toutes sortes de miracles, de signes et de prodiges mensongers,
9. Ny fiavian’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra,
10. And with all deceivableness of unrighteousness in them that perish; because they received not the love of the truth, that they might be saved.
10. et avec toutes les séductions de l`iniquité pour ceux qui périssent parce qu`ils n`ont pas reçu l`amour de la vérité pour être sauvés.
10. Ary ny famitahana momba ny tsy fahamarinana amin’izay ho very satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11. And for this cause God shall send them strong delusion, that they should believe a lie:
11. Aussi Dieu leur envoie une puissance d`égarement, pour qu`ils croient au mensonge,
11. Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12. That they all might be damned who believed not the truth, but had pleasure in unrighteousness.
12. afin que tous ceux qui n`ont pas cru à la vérité, mais qui ont pris plaisir à l`injustice, soient condamnés.
12. Mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy fahamarinana.
13. But we are bound to give thanks alway to God for you, brethren beloved of the Lord, because God hath from the beginning chosen you to salvation through sanctification of the Spirit and belief of the truth:
13. Pour nous, frères bien-aimés du Seigneur, nous devons à votre sujet rendre continuellement grâces à Dieu, parce que Dieu vous a choisis dès le commencement pour le salut, par la sanctification de l`Esprit et par la foi en la vérité.
13. "Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo izahay, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany Andriamanitra hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina;"
14. Whereunto he called you by our gospel, to the obtaining of the glory of our Lord Jesus Christ.
14. C`est à quoi il vous a appelés par notre Évangile, pour que vous possédiez la gloire de notre Seigneur Jésus Christ.
14. Sady ho amin’izany koa no niantsoany anareo tamin’ny filazantsaranay hahazoana ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika.
15. Therefore, brethren, stand fast, and hold the traditions which ye have been taught, whether by word, or our epistle.
15. Ainsi donc, frères, demeurez fermes, et retenez les instructions que vous avez reçues, soit par notre parole, soit par notre lettre.
15. Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teny, na tamin’ny epistilinay.
16. Now our Lord Jesus Christ himself, and God, even our Father, which hath loved us, and hath given us everlasting consolation and good hope through grace,
16. Que notre Seigneur Jésus Christ lui-même, et Dieu notre Père, qui nous a aimés, et qui nous a donné par sa grâce une consolation éternelle et une bonne espérance,
16. Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra sady Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,
17. Comfort your hearts, and stablish you in every good word and work.
17. consolent vos coeurs, et vous affermissent en toute bonne oeuvre et en toute bonne parole!
17. Hampionona ny fonareo sy hampiorina anareo amin’ny teny sy ny asa tsara rehetra.