Jotham King of Judah

1. Jotham was twenty and five years old when he began to reign, and he reigned sixteen years in Jerusalem. His mother's name also was Jerushah, the daughter of Zadok.
1. Jotham avait vingt-cinq ans lorsqu`il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Jeruscha, fille de Tsadok.
1. Dimy amby roapolo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny koa dia Jerosa, zanakavavin' i Zadoka.
2. And he did that which was right in the sight of the LORD, according to all that his father Uzziah did: howbeit he entered not into the temple of the LORD. And the people did yet corruptly.
2. Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel, entièrement comme avait fait Ozias, son père. Seulement, il n`entra point dans le temple de l`Éternel. Toutefois, le peuple se corrompait encore.
2. "Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon' i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin' ny tempolin' i Jehovah izy. Ary ny vahoaka mbola nanao ratsy ihany."
3. He built the high gate of the house of the LORD, and on the wall of Ophel he built much.
3. Jotham bâtit la porte supérieure de la maison de l`Éternel, et il fit beaucoup de constructions sur les murs de la colline.
3. Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin' ny tranon' i Jehovah sady nandrafitra be tamin' ny mandan' i Ofela koa.
4. Moreover he built cities in the mountains of Judah, and in the forests he built castles and towers.
4. Il bâtit des villes dans la montagne de Juda, et des châteaux et des tours dans les bois.
4. Ary nanao tanàna teny an-tendrombohitry ny Joda koa izy sy lapan' andriana ary tilikambo tany an' ala
5. He fought also with the king of the Ammonites, and prevailed against them. And the children of Ammon gave him the same year an hundred talents of silver, and ten thousand measures of wheat, and ten thousand of barley. So much did the children of Ammon pay unto him, both the second year, and the third.
5. "Il fut en guerre avec le roi des fils d`Ammon, et il l`emporta sur eux. Les fils d`Ammon lui donnèrent cette année-là cent talents d`argent, dix mille cors de froment, et dix mille d`orge; et ils lui en payèrent autant la seconde année et la troisième."
5. "Ary niady tamin' ny mpanjakan' ny taranak' i amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin' izany taona izany, ny taranak' i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina famarana avy; izany no naloan' ny taranak' i Amona ho azy tamin' ny taona faharoa sy fahatelo koa."
6. So Jotham became mighty, because he prepared his ways before the LORD his God.
6. Jotham devint puissant, parce qu`il affermit ses voies devant l`Éternel, son Dieu.
6. Ary dia nitombo hery Jotama, satria namboatra ny lalany teo anatrehan' i Jehovah Andriamaniny.
7. Now the rest of the acts of Jotham, and all his wars, and his ways, lo, they are written in the book of the kings of Israel and Judah.
7. Le reste des actions de Jotham, toutes ses guerres, et tout ce qu`il a fait, cela est écrit dans le livre des rois d`Israël et de Juda.
7. Ary ny asan' i Jotama sisa mbamin' ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny mpanjakan' ny Isiraely sy ny Joda izany.
8. He was five and twenty years old when he began to reign, and reigned sixteen years in Jerusalem.
8. Il avait vingt-cinq ans lorsqu`il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem.
8. Dimy amby roapolo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
9. And Jotham slept with his fathers, and they buried him in the city of David: and Ahaz his son reigned in his stead.
9. Jotham se coucha avec ses pères, et on l`enterra dans la ville de David. Et Achaz, son fils, régna à sa place.
9. "Ary Jotama lasa nodimandry any amin' ny razany, dia nalevina tany an-tanànan' i Davida; ary ahaza zanany no nanjaka nandimby azy."
<
>