Joash Repairs the Temple
1. Joash was seven years old when he began to reign, and he reigned forty years in Jerusalem. His mother's name also was Zibiah of Beersheba.
1. Joas avait sept ans lorsqu`il devint roi, et il régna quarante ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Tsibja, de Beer Schéba.
1. Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
2. And Joash did that which was right in the sight of the LORD all the days of Jehoiada the priest.
2. Joas fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel pendant toute la vie du sacrificateur Jehojada.
2. Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah tamin' ny andro rehetra niainan' i Joiada mpisorona.
3. And Jehoiada took for him two wives; and he begat sons and daughters.
3. Jehojada prit pour Joas deux femmes, et Joas engendra des fils et des filles.
3. Ary nangalan' i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
4. And it came to pass after this, that Joash was minded to repair the house of the LORD.
4. Après cela, Joas eut la pensée de réparer la maison de l`Éternel.
4. Ary izao no niseho taorian' izany, dia mby tao am-pon' i Joasy ny hanamboatra ny tranon' i Jehovah.
5. And he gathered together the priests and the Levites, and said to them, Go out unto the cities of Judah, and gather of all Israel money to repair the house of your God from year to year, and see that ye hasten the matter. Howbeit the Levites hastened it not.
5. "Il assembla les sacrificateurs et les Lévites, et leur dit: Allez par les villes de Juda, et vous recueillerez dans tout Israël de l`argent, chaque année, pour réparer la maison de votre Dieu; et mettez à cette affaire de l`empressement. Mais les Lévites ne se hâtèrent point."
5. "Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin' ny tanànan' ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin' ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon' Andriamanitra; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany."
6. And the king called for Jehoiada the chief, and said unto him, Why hast thou not required of the Levites to bring in out of Judah and out of Jerusalem the collection, according to the commandment of Moses the servant of the LORD, and of the congregation of Israel, for the tabernacle of witness?
6. Le roi appela Jehojada, le souverain sacrificateur, et lui dit: Pourquoi n`as-tu pas veillé à ce que les Lévites apportassent de Juda et de Jérusalem l`impôt ordonné par Moïse, serviteur de l`Éternel, et mis sur l`assemblée d`Israël pour la tente du témoignage?
6. Ary ny mpanjaka dia nampaka an' i Joiada, lohany tamin' ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny vola nangonina avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah sy ny fiangonan' ny Isiraely ho ao amin' ny tabernakelin' ny vavolombelona?
7. For the sons of Athaliah, that wicked woman, had broken up the house of God; and also all the dedicated things of the house of the LORD did they bestow upon Baalim.
7. Car l`impie Athalie et ses fils ont ravagé la maison de Dieu et fait servir pour les Baals toutes les choses consacrées à la maison de l`Éternel.
7. "Fa ny zanak' i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon' Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon' i Jehovah koa dia efa nateriny ho an' ireo Bala."
8. And at the king's commandment they made a chest, and set it without at the gate of the house of the LORD.
8. Alors le roi ordonna qu`on fît un coffre, et qu`on le plaçât à la porte de la maison de l`Éternel, en dehors.
8. Ary nasain' ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetraka teo ivelan' ny vavahadin' ny tranon' i Jehovah izany.
9. And they made a proclamation through Judah and Jerusalem, to bring in to the LORD the collection that Moses the servant of God laid upon Israel in the wilderness.
9. Et l`on publia dans Juda et dans Jérusalem qu`on apportât à l`Éternel l`impôt mis par Moïse, serviteur de l`Éternel, sur Israël dans le désert.
9. Ary nandefa teny eran' i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an' i Jehovah ny vola nangonina izay nasain' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra haloan' ny Isiraely fony izy tany an' efitra.
10. And all the princes and all the people rejoiced, and brought in, and cast into the chest, until they had made an end.
10. Tous les chefs et tout le peuple s`en réjouirent, et l`on apporta et jeta dans le coffre tout ce qu`on avait à payer.
10. Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin' ny vata ambara-pahatapiny.
11. Now it came to pass, that at what time the chest was brought unto the king's office by the hand of the Levites, and when they saw that there was much money, the king's scribe and the high priest's officer came and emptied the chest, and took it, and carried it to his place again. Thus they did day by day, and gathered money in abundance.
11. "Quand c`était le moment où les Lévites, voyant qu`il y avait beaucoup d`argent dans le coffre, devaient le livrer aux inspecteurs royaux, le secrétaire du roi et le commissaire du souverain sacrificateur venaient vider le coffre; ils le prenaient et le remettaient à sa place; ils faisaient ainsi journellement, et ils recueillirent de l`argent en abondance."
11. Ary izao no niseho, tamin' izay andro nitondran' ny Levita ny vata ho any amin' ny tonia voatendrin' ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny tonia voatendrin' ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin' ny vata, dia naka izany ka nitondra ny vata niverina ho ao amin' ny fitoerany indray. Toy izany no nataony isan' andro ka nahavory vola betsaka izy.
12. And the king and Jehoiada gave it to such as did the work of the service of the house of the LORD, and hired masons and carpenters to repair the house of the LORD, and also such as wrought iron and brass to mend the house of the LORD.
12. Le roi et Jehojada le donnaient à ceux qui étaient chargés de faire exécuter l`ouvrage dans la maison de l`Éternel, et qui prenaient à gage des tailleurs de pierres et des charpentiers pour réparer la maison de l`Éternel, et aussi des ouvriers en fer ou en airain pour réparer la maison de l`Éternel.
12. Ary nomen' ny mpanjaka sy Joiada ho an' izay nanao ny raharahan' ny tranon' i Jehovah ny vola, ka nanakaraman' ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon' i Jehovah.
13. So the workmen wrought, and the work was perfected by them, and they set the house of God in his state, and strengthened it.
13. "Ceux qui étaient chargés de l`ouvrage travaillèrent, et les réparations s`exécutèrent par leurs soins; ils remirent en état la maison de Dieu et la consolidèrent."
13. "Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon' Andriamanitra ka na-taony mafy."
14. And when they had finished it, they brought the rest of the money before the king and Jehoiada, whereof were made vessels for the house of the LORD, even vessels to minister, and to offer withal, and spoons, and vessels of gold and silver. And they offered burnt offerings in the house of the LORD continually all the days of Jehoiada.
14. "Lorsqu`ils eurent achevé, ils apportèrent devant le roi et devant Jehojada le reste de l`argent; et l`on en fit des ustensiles pour la maison de l`Éternel, des ustensiles pour le service et pour les holocaustes, des coupes, et d`autres ustensiles d`or et d`argent. Et, pendant toute la vie de Jehojada, on offrit continuellement des holocaustes dans la maison de l`Éternel."
14. Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan' ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an' ny tranon' i Jehovah, dia fanaka hoenti-manao ny asa fanompoana sy hanaterana ny fanatitra ary ny sotro sy ny fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana tao an-tranon' i Jehovah mandrakariva izy tamin' ny andron' i Joiada rehetra.
15. But Jehoiada waxed old, and was full of days when he died; an hundred and thirty years old was he when he died.
15. "Jehojada mourut, âgé et rassasié de jours; il avait à sa mort cent trente ans."
15. "Fa tratrantitra sy voky andro Joiada vao maty; telopolo amby zato taona izy vao maty."
16. And they buried him in the city of David among the kings, because he had done good in Israel, both toward God, and toward his house.
16. On l`enterra dans la ville de David avec les rois, parce qu`il avait fait du bien en Israël, et à l`égard de Dieu et à l`égard de sa maison.
16. Ary nalevina tao an-Tanànan' i Davida tao amin' ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin' ny Isiraely ary tamin' Andriamanitra sy ny tranony koa.
The Wickedness of Joash
17. Now after the death of Jehoiada came the princes of Judah, and made obeisance to the king. Then the king hearkened unto them.
17. Après la mort de Jehojada, les chefs de Juda vinrent se prosterner devant le roi. Alors le roi les écouta.
17. Ary rehefa maty Joiada, dia avy ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan' ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
18. And they left the house of the LORD God of their fathers, and served groves and idols: and wrath came upon Judah and Jerusalem for this their trespass.
18. Et ils abandonnèrent la maison de l`Éternel, le Dieu de leurs pères, et ils servirent les Astartés et les idoles. La colère de l`Éternel fut sur Juda et sur Jérusalem, parce qu`ils s`étaient ainsi rendus coupables.
18. Ary nandao ny tranon' i Jehovah, Andriamanitry ny razany ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin' ny Joda sy Jerosalema noho izany fahadisoana izany.
19. Yet he sent prophets to them, to bring them again unto the LORD; and they testified against them: but they would not give ear.
19. L`Éternel envoya parmi eux des prophètes pour les ramener à lui, mais ils n`écoutèrent point les avertissements qu`ils en reçurent.
19. "Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin' i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy."
20. And the Spirit of God came upon Zechariah the son of Jehoiada the priest, which stood above the people, and said unto them, Thus saith God, Why transgress ye the commandments of the LORD, that ye cannot prosper? because ye have forsaken the LORD, he hath also forsaken you.
20. "Zacharie, fils du sacrificateur Jehojada, fut revêtu de l`esprit de Dieu; il se présenta devant le peuple et lui dit: Ainsi parle Dieu: Pourquoi transgressez-vous les commandements de l`Éternel? Vous ne prospérerez point; car vous avez abandonné l`Éternel, et il vous abandonnera."
20. Ary ny Fanahin' Andriamanitra tonga tamin' i Zakaria, zanak' i Joiada mpisorona izay nitsangana teo amin' ny avoavo teo anatrehan' ny vahoaka ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin' i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Koa satria efa nahafoy an' i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
21. And they conspired against him, and stoned him with stones at the commandment of the king in the court of the house of the LORD.
21. Et ils conspirèrent contre lui, et le lapidèrent par ordre du roi, dans le parvis de la maison de l`Éternel.
21. Dia nanao teti-dratsy nanohitra azy ireo ka nitora-bato azy teo amin' ny kianjan' ny tranon' i Jehovah araka ny didin' ny mpanjaka.
22. Thus Joash the king remembered not the kindness which Jehoiada his father had done to him, but slew his son. And when he died, he said, The LORD look upon it, and require it.
22. Le roi Joas ne se souvint pas de la bienveillance qu`avait eue pour lui Jehojada, père de Zacharie, et il fit périr son fils. Zacharie dit en mourant: Que l`Éternel voie, et qu`il fasse justice!
22. Toy izany no tsy nahatsiarovan' i Joasy mpanjaka ny soa nataon' i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
23. And it came to pass at the end of the year, that the host of Syria came up against him: and they came to Judah and Jerusalem, and destroyed all the princes of the people from among the people, and sent all the spoil of them unto the king of Damascus.
23. Quand l`année fut révolue, l`armée des Syriens monta contre Joas, et vint en Juda et à Jérusalem. Ils tuèrent parmi le peuple tous les chefs du peuple, et ils envoyèrent au roi de Damas tout leur butin.
23. "Ary izao no niseho, nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan' i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka ny olona rehetra tao amin' ny olona, ary nampitondrainy ho any amin' ny mpanjakan' i Damaskosy ny babo rehetra."
24. For the army of the Syrians came with a small company of men, and the LORD delivered a very great host into their hand, because they had forsaken the LORD God of their fathers. So they executed judgment against Joash.
24. "L`armée des Syriens arriva avec un petit nombre d`hommes; et cependant l`Éternel livra entre leurs mains une armée très considérable, parce qu`ils avaient abandonné l`Éternel, le Dieu de leurs pères. Et les Syriens firent justice de Joas."
24. Fa vitsy ny miaramilan' ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tanany noho ny nahafoizany an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan' ireo ny famaliana an' i Joasy.
25. And when they were departed from him, (for they left him in great diseases,) his own servants conspired against him for the blood of the sons of Jehoiada the priest, and slew him on his bed, and he died: and they buried him in the city of David, but they buried him not in the sepulchres of the kings.
25. "Lorsqu`ils se furent éloignés de lui, après l`avoir laissé dans de grandes souffrances, ses serviteurs conspirèrent contre lui à cause du sang des fils du sacrificateur Jehojada; ils le tuèrent sur son lit, et il mourut. On l`enterra dans la ville de David, mais on ne l`enterra pas dans les sépulcres des rois."
25. "Ary nony niala teo aminy ireo, (fa nilaozany tao anatin' ny aretim-be maro izy), ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ràn' ny zanak' i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tao an-Tanànan' i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin' ny fasan' ny mpanjaka."
26. And these are they that conspired against him; Zabad the son of Shimeath an Ammonitess, and Jehozabad the son of Shimrith a Moabitess.
26. Voici ceux qui conspirèrent contre lui: Zabad, fils de Schimeath, femme Ammonite, et Jozabad, fils de Schimrith, femme Moabite.
26. Ary ireto no nanao teti-dratsy hamely azy: Zabada, zanak' i Simata amonita, sy Jozabada, zanak' i Simrita Moabita.
27. Now concerning his sons, and the greatness of the burdens laid upon him, and the repairing of the house of God, behold, they are written in the story of the book of the kings. And Amaziah his son reigned in his stead.
27. Pour ce qui concerne ses fils, le grand nombre de prophéties dont il fut l`objet, et les réparations faites à la maison de Dieu, cela est écrit dans les mémoires sur le livre des rois. Amatsia, son fils, régna à sa place.
27. Ary ny amin' ny zanany sy ny haben' ny entana teo aminy, ary ny fanamboarana ny tranon' Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.