Naaman Healed of Leprosy

1. Now Naaman, captain of the host of the king of Syria, was a great man with his master, and honourable, because by him the LORD had given deliverance unto Syria: he was also a mighty man in valour, but he was a leper.
1. "Naaman, chef de l`armée du roi de Syrie, jouissait de la faveur de son maître et d`une grande considération; car c`était par lui que l`Éternel avait délivré les Syriens. Mais cet homme fort et vaillant était lépreux."
1. "Ary Namàna, komandin' ny miaramilan' ny mpanjakan' i Syria dia olona lehibe teo anatrehan' ny tompony sady nanankaja, satria izy no namonjen' i Jehovah an' i Syria; ary lehilahy mahery sy be herim-po izy, saingy boka kosa."
2. And the Syrians had gone out by companies, and had brought away captive out of the land of Israel a little maid; and she waited on Naaman's wife.
2. Or les Syriens étaient sortis par troupes, et ils avaient emmené captive une petite fille du pays d`Israël, qui était au service de la femme de Naaman.
2. "Ary ny Syriana efa nivoaka nanao antokony ka nitondra zazavavy kely anankiray babo avy tany amin' ny tanin' ny Isiraely; ary nanompo ny vadin' i Namàna io."
3. And she said unto her mistress, Would God my lord were with the prophet that is in Samaria! for he would recover him of his leprosy.
3. Et elle dit à sa maîtresse: Oh! si mon seigneur était auprès du prophète qui est à Samarie, le prophète le guérirait de sa lèpre!
3. Ary hoy io tamin' ny tompovaviny: Enga anie ka mba ho ao amin' ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin' ny habokany izy.
4. And one went in, and told his lord, saying, Thus and thus said the maid that is of the land of Israel.
4. Naaman alla dire à son maître: La jeune fille du pays d`Israël a parlé de telle et telle manière.
4. Ary niditra Namàna ka nilaza tamin' ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain' ilay zazavavy izay avy tany amin' ny tanin' ny Isiraely.
5. And the king of Syria said, Go to, go, and I will send a letter unto the king of Israel. And he departed, and took with him ten talents of silver, and six thousand pieces of gold, and ten changes of raiment.
5. Et le roi de Syrie dit: Va, rends-toi à Samarie, et j`enverrai une lettre au roi d`Israël. Il partit, prenant avec lui dix talents d`argent, six mille sicles d`or, et dix vêtements de rechange.
5. Dia hoy ny mpanjakan' i Syria: Andeha àry mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin' ny mpanjakan' ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo impolo miova teny an-tanany.
6. And he brought the letter to the king of Israel, saying, Now when this letter is come unto thee, behold, I have therewith sent Naaman my servant to thee, that thou mayest recover him of his leprosy.
6. Il porta au roi d`Israël la lettre, où il était dit: Maintenant, quand cette lettre te sera parvenue, tu sauras que je t`envoie Naaman, mon serviteur, afin que tu le guérisses de sa lèpre.
6. Ary nitondra ny taratasy ho any amin' ny mpanjakan' ny Isiraely izy nanao hoe: Ary raha tonga aty aminao ity taratasy ity, dia indro, fa efa nampandeha an' i Namàna mpanompoko hankaty aminao aho, mba hanasitrananao azy amin' ny habokany.
7. And it came to pass, when the king of Israel had read the letter, that he rent his clothes, and said, Am I God, to kill and to make alive, that this man doth send unto me to recover a man of his leprosy? wherefore consider, I pray you, and see how he seeketh a quarrel against me.
7. Après avoir lu la lettre, le roi d`Israël déchira ses vêtements, et dit: Suis-je un dieu, pour faire mourir et pour faire vivre, qu`il s`adresse à moi afin que je guérisse un homme de sa lèpre? Sachez donc et comprenez qu`il cherche une occasion de dispute avec moi.
7. Ary izao no niseho, rehefa novakin' ny mpanjakan' ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra angaha aho, ka hahafaty na hahavelona, no anirahan' ilehiny aty amiko mba hahasitrana olona amin' ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko izy.
8. And it was so, when Elisha the man of God had heard that the king of Israel had rent his clothes, that he sent to the king, saying, Wherefore hast thou rent thy clothes? let him come now to me, and he shall know that there is a prophet in Israel.
8. Lorsqu`Élisée, homme de Dieu, apprit que le roi d`Israël avait déchiré ses vêtements, il envoya dire au roi: Pourquoi as-tu déchiré tes vêtements? Laisse-le venir à moi, et il saura qu`il y a un prophète en Israël.
8. Ary izao no zava-nisy, rehefa ren' i Elisa, lehilahin' Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan' ny Isiraely, dia naniraka tany amin' ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankaty amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa eo amin' ny Isiraely.
9. So Naaman came with his horses and with his chariot, and stood at the door of the house of Elisha.
9. Naaman vint avec ses chevaux et son char, et il s`arrêta à la porte de la maison d`Élisée.
9. Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran' ny tranon' i Elisa.
10. And Elisha sent a messenger unto him, saying, Go and wash in Jordan seven times, and thy flesh shall come again to thee, and thou shalt be clean.
10. "Élisée lui fit dire par un messager: Va, et lave-toi sept fois dans le Jourdain; ta chair deviendra saine, et tu seras pur."
10. Ary nandefa iraka tany aminy Elisa nanao hoe: Mandehana, ka misasà impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
11. But Naaman was wroth, and went away, and said, Behold, I thought, He will surely come out to me, and stand, and call on the name of the LORD his God, and strike his hand over the place, and recover the leper.
11. Naaman fut irrité, et il s`en alla, en disant: Voici, je me disais: Il sortira vers moi, il se présentera lui-même, il invoquera le nom de l`Éternel, son Dieu, il agitera sa main sur la place et guérira le lépreux.
11. Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, noheveriko fa hivoaka hankaty amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran' i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tanany eo amin' ny faritra ka hahasitrana ny boka.
12. Are not Abana and Pharpar, rivers of Damascus, better than all the waters of Israel? may I not wash in them, and be clean? So he turned and went away in a rage.
12. Les fleuves de Damas, l`Abana et le Parpar, ne valent-ils pas mieux que toutes les eaux d`Israël? Ne pourrais-je pas m`y laver et devenir pur? Et il s`en retournait et partait avec fureur.
12. Tsy tsara noho ny ranon' ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin' i Damaskosy? Tsy mahazo misasa ao amin' ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
13. And his servants came near, and spake unto him, and said, My father, if the prophet had bid thee do some great thing, wouldest thou not have done it? how much rather then, when he saith to thee, Wash, and be clean?
13. Mais ses serviteurs s`approchèrent pour lui parler, et ils dirent: Mon père, si le prophète t`eût demandé quelque chose de difficile, ne l`aurais-tu pas fait? Combien plus dois-tu faire ce qu`il t`a dit: Lave-toi, et tu seras pur!
13. Dia nanatona ireo mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain' ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Misasà, dia hadio ianao?
14. Then went he down, and dipped himself seven times in Jordan, according to the saying of the man of God: and his flesh came again like unto the flesh of a little child, and he was clean.
14. "Il descendit alors et se plongea sept fois dans le Jourdain, selon la parole de l`homme de Dieu; et sa chair redevint comme la chair d`un jeune enfant, et il fut pur."
14. "Dia nidina izy ka nisitrika impito tao Jordana araka ny tenin' ny lehilahin' Andriamanitra; ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy."
15. And he returned to the man of God, he and all his company, and came, and stood before him: and he said, Behold, now I know that there is no God in all the earth, but in Israel: now therefore, I pray thee, take a blessing of thy servant.
15. Naaman retourna vers l`homme de Dieu, avec toute sa suite. Lorsqu`il fut arrivé, il se présenta devant lui, et dit: Voici, je reconnais qu`il n`y a point de Dieu sur toute la terre, si ce n`est en Israël. Et maintenant, accepte, je te prie, un présent de la part de ton serviteur.
15. "Ary niverina nankao amin' ny lehilahin' Andriamanitra izy mbamin' izay nanaraka azy, dia tonga ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra amin' ny tany rehetra, afa-tsy ato amin' ny Isiraely ihany; koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin' ny mpanomponao."
16. But he said, As the LORD liveth, before whom I stand, I will receive none. And he urged him to take it; but he refused.
16. Élisée répondit: L`Éternel, dont je suis le serviteur, est vivant! je n`accepterai pas. Naaman le pressa d`accepter, mais il refusa.
16. Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray aho. Ary nanery azy handray izy, fa tsy nety Elisa.
17. And Naaman said, Shall there not then, I pray thee, be given to thy servant two mules' burden of earth? for thy servant will henceforth offer neither burnt offering nor sacrifice unto other gods, but unto the LORD.
17. "Alors Naaman dit: Puisque tu refuses, permets que l`on donne de la terre à ton serviteur, une charge de deux mulets; car ton serviteur ne veut plus offrir à d`autres dieux ni holocauste ni sacrifice, il n`en offrira qu`à l`Éternel."
17. Ary hoy Namàna: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan' ny mole roa va aho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanao fanatitra dorana, na fanatitra hafa intsony ho an' ny andriamani-kafa, fa ho an' i Jehovah ihany.
18. In this thing the LORD pardon thy servant, that when my master goeth into the house of Rimmon to worship there, and he leaneth on my hand, and I bow myself in the house of Rimmon: when I bow down myself in the house of Rimmon, the LORD pardon thy servant in this thing.
18. Voici toutefois ce que je prie l`Éternel de pardonner à ton serviteur. Quand mon maître entre dans la maison de Rimmon pour s`y prosterner et qu`il s`appuie sur ma main, je me prosterne aussi dans la maison de Rimmon: veuille l`Éternel pardonner à ton serviteur, lorsque je me prosternerai dans la maison de Rimmon!
18. Nefa ny amin' izao zavatra izao dia aoka havelan' i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ny tompoko, ary mitehina amin' ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, dia hamela ny heloky ny mpanomponao anie Jehovah ny amin' izany zavatra izany.
19. And he said unto him, Go in peace. So he departed from him a little way.
19. Élisée lui dit: Va en paix. Lorsque Naaman eut quitté Élisée et qu`il fut à une certaine distance,
19. Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa nandeha kelikely.
20. But Gehazi, the servant of Elisha the man of God, said, Behold, my master hath spared Naaman this Syrian, in not receiving at his hands that which he brought: but, as the LORD liveth, I will run after him, and take somewhat of him.
20. "Guéhazi, serviteur d`Élisée, homme de Dieu, se dit en lui-même: Voici, mon maître a ménagé Naaman, ce Syrien, en n`acceptant pas de sa main ce qu`il avait apporté; l`Éternel est vivant! je vais courir après lui, et j`en obtiendrai quelque chose."
20. "Fa hoy Gehazy, mpanompon' i Elisa, lehilahin' Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin' ny tanany izay zavatra nentiny; fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy."
21. So Gehazi followed after Naaman. And when Naaman saw him running after him, he lighted down from the chariot to meet him, and said, Is all well?
21. Et Guéhazi courut après Naaman. Naaman, le voyant courir après lui, descendit de son char pour aller à sa rencontre, et dit: Tout va-t-il bien?
21. Ka dia lasa Gehazy nanaraka an' i Namàna. Ary nony tazan' i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin' ny kalesiny hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
22. And he said, All is well. My master hath sent me, saying, Behold, even now there be come to me from mount Ephraim two young men of the sons of the prophets: give them, I pray thee, a talent of silver, and two changes of garments.
22. "Il répondit: Tout va bien. Mon maître m`envoie te dire: Voici, il vient d`arriver chez moi deux jeunes gens de la montagne d`Éphraïm, d`entre les fils des prophètes; donne pour eux, je te prie, un talent d`argent et deux vêtements de rechange."
22. "Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro, ankehitriny misy zatovo roa lahy amin' ny zanaky ny mpaminany tonga aty amiko avy any amin' ny tany havoan' i Efraima; koa, masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy."
23. And Naaman said, Be content, take two talents. And he urged him, and bound two talents of silver in two bags, with two changes of garments, and laid them upon two of his servants; and they bare them before him.
23. Naaman dit: Consens à prendre deux talents. Il le pressa, et il serra deux talents d`argent dans deux sacs, donna deux habits de rechange, et les fit porter devant Guéhazi par deux de ses serviteurs.
23. "Ary hoy Namàna: Mifalia, ka mandraisa talenta roa. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin' ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny mpanompony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo."
24. And when he came to the tower, he took them from their hand, and bestowed them in the house: and he let the men go, and they departed.
24. Arrivé à la colline, Guéhazi les prit de leurs mains et les déposa dans la maison, et il renvoya ces gens qui partirent.
24. "Ary nony tonga tao amin' ny trano fiarovana izy dia nalainy teny an-tanany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ary dia lasa izy."
25. But he went in, and stood before his master. And Elisha said unto him, Whence comest thou, Gehazi? And he said, Thy servant went no whither.
25. Puis il alla se présenter à son maître. Élisée lui dit: D`où viens-tu, Guéhazi? Il répondit: Ton serviteur n`est allé ni d`un côté ni d`un autre.
25. Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan' ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
26. And he said unto him, Went not mine heart with thee, when the man turned again from his chariot to meet thee? Is it a time to receive money, and to receive garments, and oliveyards, and vineyards, and sheep, and oxen, and menservants, and maidservants?
26. Mais Élisée lui dit: Mon esprit n`était pas absent, lorsque cet homme a quitté son char pour venir à ta rencontre. Est-ce le temps de prendre de l`argent et de prendre des vêtements, puis des oliviers, des vignes, des brebis, des boeufs, des serviteurs et des servantes?
26. Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin' ilay nihodina niala tamin' ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin' oliva, na tanimboaloboka, na ondry, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy va izao?
27. The leprosy therefore of Naaman shall cleave unto thee, and unto thy seed for ever. And he went out from his presence a leper as white as snow.
27. La lèpre de Naaman s`attachera à toi et à ta postérité pour toujours. Et Guéhazi sortit de la présence d`Élisée avec une lèpre comme la neige.
27. Koa ny habokan' i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy, ka boka, fotsy toy ny orampanala.
<
>