Elijah Taken Up to Heaven

1. And it came to pass, when the LORD would take up Elijah into heaven by a whirlwind, that Elijah went with Elisha from Gilgal.
1. Lorsque l`Éternel fit monter Élie au ciel dans un tourbillon, Élie partait de Guilgal avec Élisée.
1. Ary izao no niseho, nony efa hampakarin' i Jehovah ho any an-danitra amin' ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
2. And Elijah said unto Elisha, Tarry here, I pray thee; for the LORD hath sent me to Bethel. And Elisha said unto him, As the LORD liveth, and as thy soul liveth, I will not leave thee. So they went down to Bethel.
2. Élie dit à Élisée: Reste ici, je te prie, car l`Éternel m`envoie jusqu`à Béthel. Élisée répondit: L`Éternel est vivant et ton âme est vivante! je ne te quitterai point. Et ils descendirent à Béthel.
2. "Ary hoy Elia tamin' i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Betela. Fa hoy Elisa taminy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy."
3. And the sons of the prophets that were at Bethel came forth to Elisha, and said unto him, Knowest thou that the LORD will take away thy master from thy head to day? And he said, Yea, I know it; hold ye your peace.
3. "Les fils des prophètes qui étaient à Béthel sortirent vers Élisée, et lui dirent: Sais-tu que l`Éternel enlève aujourd`hui ton maître au-dessus de ta tête? Et il répondit: Je le sais aussi; taisez-vous."
3. Ary nivoaka nankany amin' i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan' i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin' ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro izany, fa mangina ianareo.
4. And Elijah said unto him, Elisha, tarry here, I pray thee; for the LORD hath sent me to Jericho. And he said, As the LORD liveth, and as thy soul liveth, I will not leave thee. So they came to Jericho.
4. Élie lui dit: Élisée, reste ici, je te prie, car l`Éternel m`envoie à Jéricho. Il répondit: L`Éternel est vivant et ton âme est vivante! je ne te quitterai point. Et ils arrivèrent à Jéricho.
4. "Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao aho. Dia tonga tany Jeriko izy ireo."
5. And the sons of the prophets that were at Jericho came to Elisha, and said unto him, Knowest thou that the LORD will take away thy master from thy head to day? And he answered, Yea, I know it; hold ye your peace.
5. "Les fils des prophètes qui étaient à Jéricho s`approchèrent d`Élisée, et lui dirent: Sais-tu que l`Éternel enlève aujourd`hui ton maître au-dessus de ta tête? Et il répondit: Je le sais aussi; taisez-vous."
5. Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an' i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan' i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin' ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro izany, fa mangina ianareo.
6. And Elijah said unto him, Tarry, I pray thee, here; for the LORD hath sent me to Jordan. And he said, As the LORD liveth, and as thy soul liveth, I will not leave thee. And they two went on.
6. Élie lui dit: Reste ici, je te prie, car l`Éternel m`envoie au Jourdain. Il répondit: L`Éternel est vivant et ton âme est vivante! je ne te quitterai point. Et ils poursuivirent tous deux leur chemin.
6. "Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanona eto; fa Jehovah, efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao aho. Ary dia nanohy ny diany izy ireo."
7. And fifty men of the sons of the prophets went, and stood to view afar off: and they two stood by Jordan.
7. Cinquante hommes d`entre les fils des prophètes arrivèrent et s`arrêtèrent à distance vis-à-vis, et eux deux s`arrêtèrent au bord du Jourdain.
7. Ary nisy dimampolo lahy zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny, fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron' i Jordana.
8. And Elijah took his mantle, and wrapped it together, and smote the waters, and they were divided hither and thither, so that they two went over on dry ground.
8. Alors Élie prit son manteau, le roula, et en frappa les eaux, qui se partagèrent çà et là, et ils passèrent tous deux à sec.
8. Ary Elia nandray ny kapaotiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin' ny tany maina izy roa lahy.
9. And it came to pass, when they were gone over, that Elijah said unto Elisha, Ask what I shall do for thee, before I be taken away from thee. And Elisha said, I pray thee, let a double portion of thy spirit be upon me.
9. Lorsqu`ils eurent passé, Élie dit à Élisée: Demande ce que tu veux que je fasse pour toi, avant que je sois enlevé d`avec toi. Élisée répondit: Qu`il y ait sur moi, je te prie, une double portion de ton esprit!
9. "Ary izao no niseho, rehefa tafita izy roa lahy; dia hoy Elia tamin' i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, mialoha ny hampakarana ahy hiala aminao. Ary hoy Elisa, masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin' ny fanahinao no ho amiko."
10. And he said, Thou hast asked a hard thing: nevertheless, if thou see me when I am taken from thee, it shall be so unto thee; but if not, it shall not be so.
10. "Élie dit: Tu demandes une chose difficile. Mais si tu me vois pendant que je serai enlevé d`avec toi, cela t`arrivera ainsi; sinon, cela n`arrivera pas."
10. Fa hoy izy: zavatra sarotra no nangatahinao kanefa raha mahita ahy ampakarina hiala aminao ianao, dia ho anao izany, fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11. And it came to pass, as they still went on, and talked, that, behold, there appeared a chariot of fire, and horses of fire, and parted them both asunder; and Elijah went up by a whirlwind into heaven.
11. Comme ils continuaient à marcher en parlant, voici, un char de feu et des chevaux de feu les séparèrent l`un de l`autre, et Élie monta au ciel dans un tourbillon.
11. "Ary izao no niseho, raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo, nampisaraka azy roa lahy; ary niakatra tamin' ny tafio-drivotra ho any an-danitra Elia."
12. And Elisha saw it, and he cried, My father, my father, the chariot of Israel, and the horsemen thereof. And he saw him no more: and he took hold of his own clothes, and rent them in two pieces.
12. Élisée regardait et criait: Mon père! mon père! Char d`Israël et sa cavalerie! Et il ne le vit plus. Saisissant alors ses vêtements, il les déchira en deux morceaux,
12. Ary nahita izany Elisa, dia niantso izy hoe: ry ikaky ô, ry ikaky ô, e ny kalesin' ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
13. He took up also the mantle of Elijah that fell from him, and went back, and stood by the bank of Jordan;
13. "et il releva le manteau qu`Élie avait laissé tomber. Puis il retourna, et s`arrêta au bord du Jourdain;"
13. Ary nalainy koa ny kapaotin' i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron' i Jordana.
14. And he took the mantle of Elijah that fell from him, and smote the waters, and said, Where is the LORD God of Elijah? and when he also had smitten the waters, they parted hither and thither: and Elisha went over.
14. il prit le manteau qu`Élie avait laissé tomber, et il en frappa les eaux, et dit: Où est l`Éternel, le Dieu d`Élie? Lui aussi, il frappa les eaux, qui se partagèrent çà et là, et Élisée passa.
14. Dia noraisin' i Elisa ny kapaotin' i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr' i Elia? Ary rehefa nikapoka ny rano koa izy, dia nisaraka roa izany, ka dia nita Elisa.
15. And when the sons of the prophets which were to view at Jericho saw him, they said, The spirit of Elijah doth rest on Elisha. And they came to meet him, and bowed themselves to the ground before him.
15. Les fils des prophètes qui étaient à Jéricho, vis-à-vis, l`ayant vu, dirent: L`esprit d`Élie repose sur Élisée! Et ils allèrent à sa rencontre, et se prosternèrent contre terre devant lui.
15. Ary raha nahita azy ireo zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Efa mipetraka ao amin' i Elisa ny fanahin' i Elia. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin' ny tany teo anatrehany.
16. And they said unto him, Behold now, there be with thy servants fifty strong men; let them go, we pray thee, and seek thy master: lest peradventure the Spirit of the LORD hath taken him up, and cast him upon some mountain, or into some valley. And he said, Ye shall not send.
16. "Ils lui dirent: Voici, il y a parmi tes serviteurs cinquante hommes vaillants; veux-tu qu`ils aillent chercher ton maître? Peut-être que l`esprit de l`Éternel l`a emporté et l`a jeté sur quelque montagne ou dans quelque vallée. Il répondit: Ne les envoyez pas."
16. "Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimampolo lahy matanjaka ato amin' ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain' ny Fanahin' i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray.Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo."
17. And when they urged him till he was ashamed, he said, Send. They sent therefore fifty men; and they sought three days, but found him not.
17. "Mais ils le pressèrent longtemps; et il dit: Envoyez-les. Ils envoyèrent les cinquante hommes, qui cherchèrent Élie pendant trois jours et ne le trouvèrent point."
17. "Ary raha nanery azy ireo mandra-pahatonga azy ho menatra, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimampolo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita azy."
18. And when they came again to him, (for he tarried at Jericho,) he said unto them, Did I not say unto you, Go not?
18. Lorsqu`ils furent de retour auprès d`Élisée, qui était à Jéricho, il leur dit: Ne vous avais-je pas dit: N`allez pas?
18. Ary raha tonga teo aminy indray ireo, (fa mbola nijanona tao Jeriko izy) dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: aza mandeha?

Healing of the Water

19. And the men of the city said unto Elisha, Behold, I pray thee, the situation of this city is pleasant, as my lord seeth: but the water is naught, and the ground barren.
19. "Les gens de la ville dirent à Élisée: Voici, le séjour de la ville est bon, comme le voit mon seigneur; mais les eaux sont mauvaises, et le pays est stérile."
19. "Ary hoy ny mponina tao an-tanàna tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, araka ny ahitan' ny tompoko azy; saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon' anaka."
20. And he said, Bring me a new cruse, and put salt therein. And they brought it to him.
20. Il dit: Apportez-moi un plat neuf, et mettez-y du sel. Et ils le lui apportèrent.
20. Dia hoy izy: Itondray tavoara vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
21. And he went forth unto the spring of the waters, and cast the salt in there, and said, Thus saith the LORD, I have healed these waters; there shall not be from thence any more death or barren land.
21. "Il alla vers la source des eaux, et il y jeta du sel, et dit: Ainsi parle l`Éternel: J`assainis ces eaux; il n`en proviendra plus ni mort, ni stérilité."
21. Ary nivoaka nankany amin' ilay niandohan' ny rano izy, dia nanipy ny sira tao sady nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Efa nahasitrana izao rano izao Aho, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavanonan' anaka intsony eto.
22. So the waters were healed unto this day, according to the saying of Elisha which he spake.
22. Et les eaux furent assainies, jusqu`à ce jour, selon la parole qu`Élisée avait prononcée.
22. Ka dia sitrana ny rano mandraka androany araka ny teny nolazain' i Elisa.

Elisha is Jeered

23. And he went up from thence unto Bethel: and as he was going up by the way, there came forth little children out of the city, and mocked him, and said unto him, Go up, thou bald head; go up, thou bald head.
23. "Il monta de là à Béthel; et comme il cheminait à la montée, des petits garçons sortirent de la ville, et se moquèrent de lui. Ils lui disaient: Monte, chauve! monte, chauve!"
23. "Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka naneso azy sy nanao taminy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!"
24. And he turned back, and looked on them, and cursed them in the name of the LORD. And there came forth two she bears out of the wood, and tare forty and two children of them.
24. Il se retourna pour les regarder, et il les maudit au nom de l`Éternel. Alors deux ours sortirent de la forêt, et déchirèrent quarante-deux de ces enfants.
24. Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin' ny anaran' i Jehovah. Ary nisy bera roa avy tany an' ala ka namiravira roa amby efapolo tamin' ireo ankizy ireo.
25. And he went from thence to mount Carmel, and from thence he returned to Samaria.
25. De là il alla sur la montagne du Carmel, d`où il retourna à Samarie.
25. Ary niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany ho any Samaria.
<
>