1. And the men of Kirjathjearim came, and fetched up the ark of the LORD, and brought it into the house of Abinadab in the hill, and sanctified Eleazar his son to keep the ark of the LORD.
1. "Les gens de Kirjath Jearim vinrent, et firent monter l`arche de l`Éternel; ils la conduisirent dans la maison d`Abinadab, sur la colline, et ils consacrèrent son fils Éléazar pour garder l`arche de l`Éternel."
1. Dia tonga ny lehilahy avy tany Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran' i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon' i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an' i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran' i Jehovah izy.
Samuel Subdues the Philistines at Mizpah
2. And it came to pass, while the ark abode in Kirjathjearim, that the time was long; for it was twenty years: and all the house of Israel lamented after the LORD.
2. Il s`était passé bien du temps depuis le jour où l`arche avait été déposée à Kirjath Jearim. Vingt années s`étaient écoulées. Alors toute la maison d`Israël poussa des gémissements vers l`Éternel.
2. Ary izao no niseho, raha mbola nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran' i Jehovah, nandritra ny roapolo taona, dia nalahelo an' i Jehovah ny taranak' Isiraely rehetra.
3. And Samuel spake unto all the house of Israel, saying, If ye do return unto the LORD with all your hearts, then put away the strange gods and Ashtaroth from among you, and prepare your hearts unto the LORD, and serve him only: and he will deliver you out of the hand of the Philistines.
3. "Samuel dit à toute la maison d`Israël: Si c`est de tout votre coeur que vous revenez à l`Éternel, ôtez du milieu de vous les dieux étrangers et les Astartés, dirigez votre coeur vers l`Éternel, et servez-le lui seul; et il vous délivrera de la main des Philistins."
3. Ary hoy Samoela tamin' ny taranak' Isiraely rehetra: Raha miverina amin' i Jehovah amin' ny fonareo rehetra tokoa àry ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomàny ny fonareo ho an' i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hanafaka anareo amin' ny tanan' ny Filistina Izy.
4. Then the children of Israel did put away Baalim and Ashtaroth, and served the LORD only.
4. Et les enfants d`Israël ôtèrent du milieu d`eux les Baals et les Astartés, et ils servirent l`Éternel seul.
4. Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak' Isiraely ka nanompo an' i Jehovah irery ihany.
5. And Samuel said, Gather all Israel to Mizpeh, and I will pray for you unto the LORD.
5. Samuel dit: Assemblez tout Israël à Mitspa, et je prierai l`Éternel pour vous. Et ils s`assemblèrent à Mitspa.
5. Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin' i Jehovah ho anareo aho,
6. And they gathered together to Mizpeh, and drew water, and poured it out before the LORD, and fasted on that day, and said there, We have sinned against the LORD. And Samuel judged the children of Israel in Mizpeh.
6. Ils puisèrent de l`eau et la répandirent devant l`Éternel, et ils jeûnèrent ce jour-là, en disant: Nous avons péché contre l`Éternel! Samuel jugea les enfants d`Israël à Mitspa.
6. Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan' i Jehovah, sady nifady hanina tamin' izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin' i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak' Isiraely tany Mizpa.
7. And when the Philistines heard that the children of Israel were gathered together to Mizpeh, the lords of the Philistines went up against Israel. And when the children of Israel heard it, they were afraid of the Philistines.
7. Les Philistins apprirent que les enfants d`Israël s`étaient assemblés à Mitspa, et les princes des Philistins montèrent contre Israël. A cette nouvelle, les enfants d`Israël eurent peur des Philistins,
7. Ary rehefa ren' ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak' Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan' ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak' Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8. And the children of Israel said to Samuel, Cease not to cry unto the LORD our God for us, that he will save us out of the hand of the Philistines.
8. et ils dirent à Samuel: Ne cesse point de crier pour nous à l`Éternel, notre Dieu, afin qu`il nous sauve de la main des Philistins.
8. Dia hoy ny Zanak' Isiraely tamin' i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin' i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin' ny tanan' ny Filistina.
9. And Samuel took a sucking lamb, and offered it for a burnt offering wholly unto the LORD: and Samuel cried unto the LORD for Israel; and the LORD heard him.
9. Samuel prit un agneau de lait, et l`offrit tout entier en holocauste à l`Éternel. Il cria à l`Éternel pour Israël, et l`Éternel l`exauça.
9. "Dia naka zanak' ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an' i Jehovah; dia nitaraina tamin' i Jehovah ho an' ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah."
10. And as Samuel was offering up the burnt offering, the Philistines drew near to battle against Israel: but the LORD thundered with a great thunder on that day upon the Philistines, and discomfited them; and they were smitten before Israel.
10. Pendant que Samuel offrait l`holocauste, les Philistins s`approchèrent pour attaquer Israël. L`Éternel fit retentir en ce jour son tonnerre sur les Philistins, et les mit en déroute. Ils furent battus devant Israël.
10. Ary raha mbola nanolotra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny filistina hiady amin' ny Isiraely, fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin' ny Filistina tamin' izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan' ny Isiraely izy.
11. And the men of Israel went out of Mizpeh, and pursued the Philistines, and smote them, until they came under Bethcar.
11. Les hommes d`Israël sortirent de Mitspa, poursuivirent les Philistins, et les battirent jusqu`au-dessous de Beth Car.
11. Ary niala avy tany Mizpa ny lehilahy amin' ny Isiraely, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin' i Beti-kara.
12. Then Samuel took a stone, and set it between Mizpeh and Shen, and called the name of it Ebenezer, saying, Hitherto hath the LORD helped us.
12. Samuel prit une pierre, qu`il plaça entre Mitspa et Schen, et il l`appela du nom d`Ében Ézer, en disant: Jusqu`ici l`Éternel nous a secourus.
12. Ary naka vato Samoela ka nanorina azy teo anelanelan' i Mizpa sy Sena ary ny anarany nataony hoe: Ebenezera, fa hoy izy: Efa novonjen' i Jehovah isika hatreto.
13. So the Philistines were subdued, and they came no more into the coast of Israel: and the hand of the LORD was against the Philistines all the days of Samuel.
13. Ainsi les Philistins furent humiliés, et ils ne vinrent plus sur le territoire d`Israël. La main de l`Éternel fut contre les Philistins pendant toute la vie de Samuel.
13. "Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin' ny faritanin' ny Isiraely intsony; ary ny tanan' i Jehovah namely ny Filistina tamin' ny andro rehetra niainan' i Samoela."
14. And the cities which the Philistines had taken from Israel were restored to Israel, from Ekron even unto Gath; and the coasts thereof did Israel deliver out of the hands of the Philistines. And there was peace between Israel and the Amorites.
14. "Les villes que les Philistins avaient prises sur Israël retournèrent à Israël, depuis Ékron jusqu`à Gath, avec leur territoire; Israël les arracha de la main des Philistins. Et il y eut paix entre Israël et les Amoréens."
14. "Ary ny tanàna izay efa nalain' ny Filistina tamin' ny Isiraely dia azon' ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin' ireo dia nalain' ny Isiraely tamin' ny tanan' ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita."
15. And Samuel judged Israel all the days of his life.
15. Samuel fut juge en Israël pendant toute sa vie.
15. Ary nitsara ny Isiraely i Samoela tamin' ny andro rehetra niainany.
16. And he went from year to year in circuit to Bethel, and Gilgal, and Mizpeh, and judged Israel in all those places.
16. Il allait chaque année faire le tour de Béthel, de Guilgal et de Mitspa, et il jugeait Israël dans tous ces lieux.
16. Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety an' i Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin' ireo tanàna rehetra ireo.
17. And his return was to Ramah; for there was his house; and there he judged Israel; and there he built an altar unto the LORD.
17. "Puis il revenait à Rama, où était sa maison; et là il jugeait Israël, et il y bâtit un autel à l`Éternel."
17. "Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an' i Jehovah."