The LORD Rejects Saul as King
1. Samuel also said unto Saul, The LORD sent me to anoint thee to be king over his people, over Israel: now therefore hearken thou unto the voice of the words of the LORD.
1. Samuel dit à Saül: C`est moi que l`Éternel a envoyé pour t`oindre roi sur son peuple, sur Israël: écoute donc ce que dit l`Éternel.
1. "Hoy koa i Samoela tamin' i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan' ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny feon' ny tenin' i Jehovah ianao."
2. Thus saith the LORD of hosts, I remember that which Amalek did to Israel, how he laid wait for him in the way, when he came up from Egypt.
2. Ainsi parle l`Éternel des armées: Je me souviens de ce qu`Amalek fit à Israël, lorsqu`il lui ferma le chemin à sa sortie d`Égypte.
2. Izao no lazain' i Jehovah Tompon' ny maro: Tsaroako izay nataon' ny Amalekita tamin' ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
3. Now go and smite Amalek, and utterly destroy all that they have, and spare them not; but slay both man and woman, infant and suckling, ox and sheep, camel and ass.
3. "Va maintenant, frappe Amalek, et dévouez par interdit tout ce qui lui appartient; tu ne l`épargneras point, et tu feras mourir hommes et femmes, enfants et nourrissons, boeufs et brebis, chameaux et ânes."
3. Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano tanteraka izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry, na rameva, na boriky.
4. And Saul gathered the people together, and numbered them in Telaim, two hundred thousand footmen, and ten thousand men of Judah.
4. Saül convoqua le peuple, et en fit la revue à Thelaïm: il y avait deux cent mille hommes de pied, et dix mille hommes de Juda.
4. Ary nanangona ny olona i Saoly ka nanisa azy tao Telaima, dia roa hetsy ny lehilahy mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin' ny Joda.
5. And Saul came to a city of Amalek, and laid wait in the valley.
5. Saül marcha jusqu`à la ville d`Amalek, et mit une embuscade dans la vallée.
5. Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan' ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha
6. And Saul said unto the Kenites, Go, depart, get you down from among the Amalekites, lest I destroy you with them: for ye shewed kindness to all the children of Israel, when they came up out of Egypt. So the Kenites departed from among the Amalekites.
6. "Il dit aux Kéniens: Allez, retirez-vous, sortez du milieu d`Amalek, afin que je ne vous fasse pas périr avec lui; car vous avez eu de la bonté pour tous les enfants d`Israël, lorsqu`ils montèrent d`Égypte. Et les Kéniens se retirèrent du milieu d`Amalek."
6. Ary hoy Saoly tamin' ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin' ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak' Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin' ny Amalekita ny Kenita.
7. And Saul smote the Amalekites from Havilah until thou comest to Shur, that is over against Egypt.
7. Saül battit Amalek depuis Havila jusqu`à Schur, qui est en face de l`Égypte.
7. Ary Saoly namono ny Amalekita hatrany Havila ka hatramin' ny lalana mankany Sora, izay tandrifin' i Egypta.
8. And he took Agag the king of the Amalekites alive, and utterly destroyed all the people with the edge of the sword.
8. Il prit vivant Agag, roi d`Amalek, et il dévoua par interdit tout le peuple en le passant au fil de l`épée.
8. Ary azony sambo-belona i Agaga, mpanjakan' ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany tanteraka tamin' ny lelan-tsabatra.
9. But Saul and the people spared Agag, and the best of the sheep, and of the oxen, and of the fatlings, and the lambs, and all that was good, and would not utterly destroy them: but every thing that was vile and refuse, that they destroyed utterly.
9. "Mais Saül et le peuple épargnèrent Agag, et les meilleures brebis, les meilleurs boeufs, les meilleures bêtes de la seconde portée, les agneaux gras, et tout ce qu`il y avait de bon; ils ne voulurent pas le dévouer par interdit, et ils dévouèrent seulement tout ce qui était méprisable et chétif."
9. Fa Saoly sy ny olona tsy namono an' i Agaga sy izay tsara indrindra tamin' ny ondry sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak' ondry ary izay tsara rehetra, dia tsy naringany fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany dia naringany avokoa.
10. Then came the word of the LORD unto Samuel, saying,
10. L`Éternel adressa la parole à Samuel, et lui dit:
10. Ary tonga tamin' i Samoela ny tenin' i Jehovah hoe:
11. It repenteth me that I have set up Saul to be king: for he is turned back from following me, and hath not performed my commandments. And it grieved Samuel; and he cried unto the LORD all night.
11. Je me repens d`avoir établi Saül pour roi, car il se détourne de moi et il n`observe point mes paroles. Samuel fut irrité, et il cria à l`Éternel toute la nuit.
11. Manenina Aho noho ny nanaovako an' i Saoly ho mpanjaka, fa niodina tamin' ny fanarahana Ahy izy, ka tsy nahatanteraka ny didiko. Dia nalahelo indrindra Samoela ka nitaraina tamin' i Jehovah nandritra ny alina.
12. And when Samuel rose early to meet Saul in the morning, it was told Samuel, saying, Saul came to Carmel, and, behold, he set him up a place, and is gone about, and passed on, and gone down to Gilgal.
12. "Il se leva de bon matin, pour aller au-devant de Saül. Et on vint lui dire: Saül est allé à Carmel, et voici, il s`est érigé un monument; puis il s`en est retourné, et, passant plus loin, il est descendu à Guilgal."
12. Ary rehefa nifoha maraina koa Samoela hitsena an' i Saoly, dia nisy nilaza tamin' i Samoela hoe: Saoly efa tonga tao Karmela, ary, indro izy nanorina fitoerana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.
13. And Samuel came to Saul: and Saul said unto him, Blessed be thou of the LORD: I have performed the commandment of the LORD.
13. Samuel se rendit auprès de Saül, et Saül lui dit: Sois béni de l`Éternel! J`ai observé la parole de l`Éternel.
13. "Ary Samoela tonga tao amin' i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin' i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny didin' i Jehovah aho."
14. And Samuel said, What meaneth then this bleating of the sheep in mine ears, and the lowing of the oxen which I hear?
14. Samuel dit: Qu`est-ce donc que ce bêlement de brebis qui parvient à mes oreilles, et ce mugissement de boeufs que j`entends?
14. Fa hoy Samoela: inona anefa izany fibarareoky ny ondry ren' ny sofiko sy fimamàn' ny omby reko izany?
15. And Saul said, They have brought them from the Amalekites: for the people spared the best of the sheep and of the oxen, to sacrifice unto the LORD thy God; and the rest we have utterly destroyed.
15. "Saül répondit: Ils les ont amenés de chez les Amalécites, parce que le peuple a épargné les meilleures brebis et les meilleurs boeufs, afin de les sacrifier à l`Éternel, ton Dieu; et le reste, nous l`avons dévoué par interdit."
15. Ary hoy Saoly: Avy tany amin' ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry sy omby tsara indrindra, mba hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay avokoa.
16. Then Samuel said unto Saul, Stay, and I will tell thee what the LORD hath said to me this night. And he said unto him, Say on.
16. Samuel dit à Saül: Arrête, et je te déclarerai ce que l`Éternel m`a dit cette nuit. Et Saül lui dit: Parle!
16. Dia hoy Samoela tamin' i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain' i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy: Ambarao ary.
17. And Samuel said, When thou wast little in thine own sight, wast thou not made the head of the tribes of Israel, and the LORD anointed thee king over Israel?
17. Samuel dit: Lorsque tu étais petit à tes yeux, n`es-tu pas devenu le chef des tribus d`Israël, et l`Éternel ne t`a-t-il pas oint pour que tu sois roi sur Israël?
17. "Dia hoy Samoela: Raha mbola kely teo imasonao ianao, moa tsy natao lohan' ireo fokon' ny Isiraely va? Ary Jehovah dia nanosotra anao ho mpanjakan' ny Isiraely;"
18. And the LORD sent thee on a journey, and said, Go and utterly destroy the sinners the Amalekites, and fight against them until they be consumed.
18. "L`Éternel t`avait fait partir, en disant: Va, et dévoue par interdit ces pécheurs, les Amalécites; tu leur feras la guerre jusqu`à ce que tu les aies exterminés."
18. Ary nandefa anao ho amin' ny dia iray Jehovah ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano tanteraka ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.
19. Wherefore then didst thou not obey the voice of the LORD, but didst fly upon the spoil, and didst evil in the sight of the LORD?
19. Pourquoi n`as-tu pas écouté la voix de l`Éternel? pourquoi t`es-tu jeté sur le butin, et as-tu fait ce qui est mal aux yeux de l`Éternel?
19. Koa nahoana ianao no tsy nankatò ny feon' i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin' ny babo ka nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah?
20. And Saul said unto Samuel, Yea, I have obeyed the voice of the LORD, and have gone the way which the LORD sent me, and have brought Agag the king of Amalek, and have utterly destroyed the Amalekites.
20. "Saül répondit à Samuel: J`ai bien écouté la voix de l`Éternel, et j`ai suivi le chemin par lequel m`envoyait l`Éternel. J`ai amené Agag, roi d`Amalek, et j`ai dévoué par interdit les Amalécites;"
20. Fa hoy Saoly tamin' i Samoela: eny, efa nankatò ny feon' i Jehovah aho ka nandeha tamin' ny lalana izay nanirahan' i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan' ny Amalekita, sady nandringana tanteraka ny Amalekita.
21. But the people took of the spoil, sheep and oxen, the chief of the things which should have been utterly destroyed, to sacrifice unto the LORD thy God in Gilgal.
21. mais le peuple a pris sur le butin des brebis et des boeufs, comme prémices de ce qui devait être dévoué, afin de les sacrifier à l`Éternel, ton Dieu, à Guilgal.
21. Nefa nalain' ny olona avy tamin' ny babo ny ondry sy ny omby, dia izay soa avy tamin' ny zavatra izay tokony haringana tanteraka mba hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.
22. And Samuel said, Hath the LORD as great delight in burnt offerings and sacrifices, as in obeying the voice of the LORD? Behold, to obey is better than sacrifice, and to hearken than the fat of rams.
22. Samuel dit: L`Éternel trouve-t-il du plaisir dans les holocaustes et les sacrifices, comme dans l`obéissance à la voix de l`Éternel? Voici, l`obéissance vaut mieux que les sacrifices, et l`observation de sa parole vaut mieux que la graisse des béliers.
22. Fa hoy Samoela: Sitrak' i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny sorona maro noho ny mankatò ny feon' i Jehovah? Indro, ny mankatò no tsara kokoa noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran' ondrilahy.
23. For rebellion is as the sin of witchcraft, and stubbornness is as iniquity and idolatry. Because thou hast rejected the word of the LORD, he hath also rejected thee from being king.
23. Car la désobéissance est aussi coupable que la divination, et la résistance ne l`est pas moins que l`idolâtrie et les théraphim. Puisque tu as rejeté la parole de l`Éternel, il te rejette aussi comme roi.
23. Fa ny miodina dia toy ny fahotana amin' ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny heloka sy fanompoan-tsampy. Satria nandà ny tenin' i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
24. And Saul said unto Samuel, I have sinned: for I have transgressed the commandment of the LORD, and thy words: because I feared the people, and obeyed their voice.
24. "Alors Saül dit à Samuel: J`ai péché, car j`ai transgressé l`ordre de l`Éternel, et je n`ai pas obéi à tes paroles; je craignais le peuple, et j`ai écouté sa voix."
24. "Ary hoy Saoly tamin' i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny didin' i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nankatò ny feony."
25. Now therefore, I pray thee, pardon my sin, and turn again with me, that I may worship the LORD.
25. Maintenant, je te prie, pardonne mon péché, reviens avec moi, et je me prosternerai devant l`Éternel.
25. Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny fahotako ary miverena hiaraka amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan' i Jehovah.
26. And Samuel said unto Saul, I will not return with thee: for thou hast rejected the word of the LORD, and the LORD hath rejected thee from being king over Israel.
26. "Samuel dit à Saül: Je ne retournerai point avec toi; car tu as rejeté la parole de l`Éternel, et l`Éternel te rejette, afin que tu ne sois plus roi sur Israël."
26. "Fa hoy Samoela tamin' i Saoly: Tsy hiverina hiaraka aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin' i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan' ny Isiraely."
27. And as Samuel turned about to go away, he laid hold upon the skirt of his mantle, and it rent.
27. Et comme Samuel se tournait pour s`en aller, Saül le saisit par le pan de son manteau, qui se déchira.
27. Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin' i Saoly ny sisin' ny akanjony ka triatra.
28. And Samuel said unto him, The LORD hath rent the kingdom of Israel from thee this day, and hath given it to a neighbour of thine, that is better than thou.
28. Samuel lui dit: L`Éternel déchire aujourd`hui de dessus toi la royauté d`Israël, et il la donne à un autre, qui est meilleur que toi.
28. Dia hoy Samoela tamin' i Saoly: Efa notriarin' i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan' Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
29. And also the Strength of Israel will not lie nor repent: for he is not a man, that he should repent.
29. Celui qui est la force d`Israël ne ment point et ne se repent point, car il n`est pas un homme pour se repentir.
29. Ary koa ny Herin' Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
30. Then he said, I have sinned: yet honour me now, I pray thee, before the elders of my people, and before Israel, and turn again with me, that I may worship the LORD thy God.
30. "Saül dit encore: J`ai péché! Maintenant, je te prie, honore-moi en présence des anciens de mon peuple et en présence d`Israël; reviens avec moi, et je me prosternerai devant l`Éternel, ton Dieu."
30. Dia hoy Saoly: Efa nanota aho, kanefa masìna ianao, mba omeo voninahitra aho ankehitriny eo anatrehan' ny loholona amin' ny oloko sy eo anatrehan' ny Isiraely, ary miverena miaraka amiko indray, mba hiankohofako eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao.
31. So Samuel turned again after Saul; and Saul worshipped the LORD.
31. Samuel retourna et suivit Saül, et Saül se prosterna devant l`Éternel.
31. Ary Samoela dia niverina nanaraka an' i Saoly indray, ary Saoly niankohoka teo anatrehan' i Jehovah.
32. Then said Samuel, Bring ye hither to me Agag the king of the Amalekites. And Agag came unto him delicately. And Agag said, Surely the bitterness of death is past.
32. "Puis Samuel dit: Amenez-moi Agag, roi d`Amalek. Et Agag s`avança vers lui d`un air joyeux; il disait: Certainement, l`amertume de la mort est passée."
32. Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko i Agaga, mpanjakan' ny Amalekita. Ary nankeo aminy tamim-pitandremana fatratra i Agaga ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian' ny fahafatesana.
33. And Samuel said, As thy sword hath made women childless, so shall thy mother be childless among women. And Samuel hewed Agag in pieces before the LORD in Gilgal.
33. Samuel dit: De même que ton épée a privé des femmes de leurs enfants, ainsi ta mère entre les femmes sera privée d`un fils. Et Samuel mit Agag en pièces devant l`Éternel, à Guilgal.
33. Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan' ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan' ny reninao zanaka kosa ao amin' ny vehivavy. Dia notetitetehin' i Samoela teo anatrehan' i Jehovah tao Gilgala i Agaga.
34. Then Samuel went to Ramah; and Saul went up to his house to Gibeah of Saul.
34. Samuel partit pour Rama, et Saül monta dans sa maison à Guibea de Saül.
34. "Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly niakatra tany amin' ny tranony tao Gibean' i Saoly."
35. And Samuel came no more to see Saul until the day of his death: nevertheless Samuel mourned for Saul: and the LORD repented that he had made Saul king over Israel.
35. "Samuel n`alla plus voir Saül jusqu`au jour de sa mort; car Samuel pleurait sur Saül, parce que l`Éternel se repentait d`avoir établi Saül roi d`Israël."
35. "Ary Samoela tsy namangy an' i Saoly intsony ambara-pahatongan' ny andro nahafatesany; na dia izany aza, dia nalahelo an' i Saoly i Samoela. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an' i Saoly ho mpanjakan' ny Isiraely."