Samuel's Farewell Speech

1. And Samuel said unto all Israel, Behold, I have hearkened unto your voice in all that ye said unto me, and have made a king over you.
1. Samuel dit à tout Israël: Voici, j`ai écouté votre voix dans tout ce que vous m`avez dit, et j`ai établi un roi sur vous.
1. Ary hoy Samoela tamin' ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin' izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
2. And now, behold, the king walketh before you: and I am old and grayheaded; and, behold, my sons are with you: and I have walked before you from my childhood unto this day.
2. "Et maintenant, voici le roi qui marchera devant vous. Pour moi, je suis vieux, j`ai blanchi, et mes fils sont avec vous; j`ai marché à votre tête, depuis ma jeunesse jusqu`à ce jour."
2. "Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany."
3. Behold, here I am: witness against me before the LORD, and before his anointed: whose ox have I taken? or whose ass have I taken? or whom have I defrauded? whom have I oppressed? or of whose hand have I received any bribe to blind mine eyes therewith? and I will restore it you.
3. Me voici! Rendez témoignage contre moi, en présence de l`Éternel et en présence de son oint. De qui ai-je pris le boeuf et de qui ai-je pris l`âne? Qui ai-je opprimé, et qui ai-je traité durement? De qui ai-je reçu un présent, pour fermer les yeux sur lui? Je vous le rendrai.
3. "Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan' i Jehovah sy eto anatrehan' ny voahosony aho, ombin' iza moa no nalaiko? na borikin' iza no nalaiko? na iza no nofitahiko? iza no nampahoriko? na teo an-tanan' iza no nandraisako kolikoly hahajamba ny masoko? fa honerako aminareo izany."
4. And they said, Thou hast not defrauded us, nor oppressed us, neither hast thou taken ought of any man's hand.
4. Ils répondirent: Tu ne nous as point opprimés, et tu ne nous as point traités durement, et tu n`as rien reçu de la main de personne.
4. Ary hoy ireo: Ianao tsy namitaka anay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tanan' olona na dia iray akory aza.
5. And he said unto them, The LORD is witness against you, and his anointed is witness this day, that ye have not found ought in my hand. And they answered, He is witness.
5. Il leur dit encore: L`Éternel est témoin contre vous, et son oint est témoin, en ce jour, que vous n`avez rien trouvé dans mes mains. Et ils répondirent: Ils en sont témoins.
5. Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
6. And Samuel said unto the people, It is the LORD that advanced Moses and Aaron, and that brought your fathers up out of the land of Egypt.
6. Alors Samuel dit au peuple: C`est l`Éternel qui a établi Moïse et Aaron, et qui a fait monter vos pères du pays d`Égypte.
6. Ary hoy Samoela tamin' ny olona: Jehovah no nanendry an' i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta.
7. Now therefore stand still, that I may reason with you before the LORD of all the righteous acts of the LORD, which he did to you and to your fathers.
7. Maintenant, présentez-vous, et je vous jugerai devant l`Éternel sur tous les bienfaits que l`Éternel vous a accordés, à vous et à vos pères.
7. Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan' i Jehovah aho ny amin' ny asa marina rehetra izay nataon' i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
8. When Jacob was come into Egypt, and your fathers cried unto the LORD, then the LORD sent Moses and Aaron, which brought forth your fathers out of Egypt, and made them dwell in this place.
8. Après que Jacob fut venu en Égypte, vos pères crièrent à l`Éternel, et l`Éternel envoya Moïse et Aaron, qui firent sortir vos pères d`Égypte et les firent habiter dans ce lieu.
8. Rehefa tonga tany Egypta i Jakoba, ka nitaraina tamin' i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an' i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin' ity tany ity.
9. And when they forgat the LORD their God, he sold them into the hand of Sisera, captain of the host of Hazor, and into the hand of the Philistines, and into the hand of the king of Moab, and they fought against them.
9. "Mais ils oublièrent l`Éternel, leur Dieu; et ils les vendit entre les mains de Sisera, chef de l`armée de Hatsor, entre les mains des Philistins, et entre les mains du roi de Moab, qui leur firent la guerre."
9. Nefa raha nanadino an' i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tanan' i Sisera, komandin' ny miaramilan' i Hazora, sy ho eo an-tanan' ny Filistina ary ho eo an-tanan' ny mpanjakan' i Moaba, ka niadian' ireo izy.
10. And they cried unto the LORD, and said, We have sinned, because we have forsaken the LORD, and have served Baalim and Ashtaroth: but now deliver us out of the hand of our enemies, and we will serve thee.
10. "Ils crièrent encore à l`Éternel, et dirent: Nous avons péché, car nous avons abandonné l`Éternel, et nous avons servi les Baals et les Astartés; délivre-nous maintenant de la main de nos ennemis, et nous te servirons."
10. Dia nitaraina tamin' i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an' i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny, afaho amin' ny tanan' ny fahavalonay izahay dia hanompo Anao.
11. And the LORD sent Jerubbaal, and Bedan, and Jephthah, and Samuel, and delivered you out of the hand of your enemies on every side, and ye dwelled safe.
11. Et l`Éternel envoya Jerubbaal, Bedan, Jephthé et Samuel, et il vous délivra de la main de vos ennemis qui vous entouraient, et vous demeurâtes en sécurité.
11. Ary Jehovah efa naniraka an' i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka nanafaka anareo tamin' ny tanan' ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
12. And when ye saw that Nahash the king of the children of Ammon came against you, ye said unto me, Nay; but a king shall reign over us: when the LORD your God was your king.
12. Puis, voyant que Nachasch, roi des fils d`Ammon, marchait contre vous, vous m`avez dit: Non! mais un roi régnera sur nous. Et cependant l`Éternel, votre Dieu, était votre roi.
12. "Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo i Nahasy, mpanjakan' ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no Mpanjakanareo."
13. Now therefore behold the king whom ye have chosen, and whom ye have desired! and, behold, the LORD hath set a king over you.
13. "Voici donc le roi que vous avez choisi, que vous avez demandé; voici, l`Éternel a mis sur vous un roi."
13. "Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo."
14. If ye will fear the LORD, and serve him, and obey his voice, and not rebel against the commandment of the LORD, then shall both ye and also the king that reigneth over you continue following the LORD your God:
14. Si vous craignez l`Éternel, si vous le servez, si vous obéissez à sa voix, et si vous n`êtes point rebelles à la parole de l`Éternel, vous vous attacherez à l`Éternel, votre Dieu, vous et le roi qui règne sur vous.
14. Raha hatahotra an' i Jehovah sy hanompo Azy ary hankatò ny feony ianareo, ka tsy handà ny didin' i Jehovah, dia hitohy hanaraka an' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjakanareo izay manjaka aminareo.
15. But if ye will not obey the voice of the LORD, but rebel against the commandment of the LORD, then shall the hand of the LORD be against you, as it was against your fathers.
15. Mais si vous n`obéissez pas à la voix de l`Éternel, et si vous êtes rebelles à la parole de l`Éternel, la main de l`Éternel sera contre vous, comme elle a été contre vos pères.
15. Fa raha tsy hankatò ny feon' i Jehovah ianareo, fa hanohitra ny didin' i Jehovah, dia hamely anareo ny tanan' i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
16. Now therefore stand and see this great thing, which the LORD will do before your eyes.
16. Attendez encore ici, et voyez le prodige que l`Éternel va opérer sous vos yeux.
16. Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon' i Jehovah eto imasonareo izao:
17. Is it not wheat harvest to day? I will call unto the LORD, and he shall send thunder and rain; that ye may perceive and see that your wickedness is great, which ye have done in the sight of the LORD, in asking you a king.
17. Ne sommes-nous pas à la moisson des blés? J`invoquerai l`Éternel, et il enverra du tonnerre et de la pluie. Sachez alors et voyez combien vous avez eu tort aux yeux de l`Éternel de demander pour vous un roi.
17. Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an' i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason' i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
18. So Samuel called unto the LORD; and the LORD sent thunder and rain that day: and all the people greatly feared the LORD and Samuel.
18. Samuel invoqua l`Éternel, et l`Éternel envoya ce même jour du tonnerre et de la pluie. Tout le peuple eut une grande crainte de l`Éternel et de Samuel.
18. "Ary Samoela niantso an' i Jehovah ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin' izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an' i Jehovah sy Samoela indrindra."
19. And all the people said unto Samuel, Pray for thy servants unto the LORD thy God, that we die not: for we have added unto all our sins this evil, to ask us a king.
19. "Et tout le peuple dit à Samuel: Prie l`Éternel, ton Dieu, pour tes serviteurs, afin que nous ne mourions pas; car nous avons ajouté à tous nos péchés le tort de demander pour nous un roi."
19. Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin' i Samoela: Mangataha amin' i Jehovah Andriamanitrao ho an' ny mpanomponao, mba tsy ho faty izahay!fa efa nampianay tamin' ny otanay rehetra izao ratsy izao, dia ny nangatahanay mpanjaka ho anay.
20. And Samuel said unto the people, Fear not: ye have done all this wickedness: yet turn not aside from following the LORD, but serve the LORD with all your heart;
20. "Samuel dit au peuple: N`ayez point de crainte! Vous avez fait tout ce mal; mais ne vous détournez pas de l`Éternel, et servez l`Éternel de tout votre coeur."
20. "Ary hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an' i Jehovah; fa manompoa an' i Jehovah amin' ny fonareo rehetra."
21. And turn ye not aside: for then should ye go after vain things, which cannot profit nor deliver; for they are vain.
21. "Ne vous en détournez pas; sinon, vous iriez après des choses de néant, qui n`apportent ni profit ni délivrance, parce que ce sont des choses de néant."
21. "Ary aza mivily, fandrao manaraka zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireny."
22. For the LORD will not forsake his people for his great name's sake: because it hath pleased the LORD to make you his people.
22. L`Éternel n`abandonnera point son peuple, à cause de son grand nom, car l`Éternel a résolu de faire de vous son peuple.
22. Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak' i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
23. Moreover as for me, God forbid that I should sin against the LORD in ceasing to pray for you: but I will teach you the good and the right way:
23. Loin de moi aussi de pécher contre l`Éternel, de cesser de prier pour vous! Je vous enseignerai le bon et le droit chemin.
23. "Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin' i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo; fa hampianatra anareo izay lalana tsara sy marina aho."
24. Only fear the LORD, and serve him in truth with all your heart: for consider how great things he hath done for you.
24. "Craignez seulement l`Éternel, et servez-le fidèlement de tout votre coeur; car voyez quelle puissance il déploie parmi vous."
24. "Kanefa izao ihany, matahora an' i Jehovah ka manompoa Azy marina amin' ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao."
25. But if ye shall still do wickedly, ye shall be consumed, both ye and your king.
25. Mais si vous faites le mal, vous périrez, vous et votre roi.
25. Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
<
>