Ecole Jane Collins Ambohimahasoa

LYCEE PRIVE JESOSY MAMONJY JANE COLLINS AMBOHIMAHASOA Rehefa nafindra toerana teto Ambohimahasoa ny Pasteur ANDRIAMANJATOMANANA Benja mivady dia nasain’ny Pasteur RATAFY Léon Filohan’ny Fikambanam-pivavahana Jesosy Mamonjy hanorina Sekoly avy hatrany dia tsy nangatak’andro izahay fa nikarakara ny Taratasy ara-panjakana ahafahana manao izay ary dia nosokafana tamin’io Taona io ihany ny Sekoly. Izay efitrano nananana aloha no nampiasaina tany am-boalohany mandra-panangana fotodrafitr’asa vaovao. Mpianatra 02 no niaingana tany am-boalohany dia ireo zanakay mirahavavy, ary dia nitombo tsikelikely : 04 avy eo 60, ny taom-pianarana manaraka 120 … ary efa 430 izy ankehitriny. Ny Pasteur ANDRIAMANJATOMANANA Benja Sy ny Evanjelistra RAHELIARISOA Anne Marie Talen’ny Sekoly (Sary) Toy izao ireo Foto-drafitr’asa natsangana ho toeram-pianarana: (sary) Ireto kosa ireo mpianatra (sary) Ireo Mpampianatra sy Mpandraharaha eto amin’ny sekoly : (sary) Isan’andro ny mpianatra dia tezaina ara-tSoratra Masina ao am-piangonana, ary manokana andro iray isan-taona hiderana an’Andriamanitra “Journée de Louange” (sary) Ny sekoly koa dia nanatanteraka ny Journée de Lycée : Mon métier du demain izay nanaovan’ireo ankizy ny fanamina momba izay asa iriny amin’ny ho avy (sary) Tamin’ny faha 20 Jona 2014 dia nankalazaina ny faha 10 taonan’ny sekoly: Ireo vahiny nanatrika (sary) Marihina fa ny sekoly dia mampiasa ireo fitaovana numerique koa hampitana ny fahalalana (sary)

Vous avez aimé ? Partagez autour de vous !