Musics and Voice Orchestra
Ny Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy dia Sekoly Fampianarana mozika eto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, niorina sy niasa nanomboka ny taona 2006, nahazo fankatoavana eo anivon’ny Filankevim-pitondrana Jesosy Mamonjy, ary eo ambany fiahian’ny Departemantan’ny Famoronan-kira Jesosy mamonjy izay sampan-draharaha eo anivon’ny Biraon’ny Firaisan’ny Mpitandrina.
Manana Birao Mpitantanana sy Mpampianatra ary Mpanabe ny Musics and Voice Orchestra izay eo ambany fiandraiketan’ny Tale Mpamorona (Initiateur de projet).
Ny Sekoly dia manana tanjona fototra dia ny hanangona ny zanaky ny Fiangonana tsy hiala eo amin’ny kianjan’Andriamanitra, hizarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fomba fanompoana nentin’ny Mpanorina ny Fiangonana, ary ny hitondrana azy ireo ho amin’ny Famonjena, ary koa hanao asa fanabeazana mba hananan’izy ireo ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Manana Fitsipi-pifehezana mifanaraka tsara amin’ny fotom-pampianarana Jesosy Mamonjy ny Sekoly.
Ny tanjon’ny fampianarana dia ny hahaizan’ny ankizy mitendry sy mihira manaraka ny norme de notation musicale (Solfège), ka hahatonga azy ireo hahafehy ny rindran-damina rehetra voasoratra rehefa mitendry na mihira.
Misy ny Discpline rehetra fampiasa amin’ny musique symphonique eto amin’ny Musics and Voice Orchestra : Violon, Violoncelle, Contrebasse, Flute travérsière sy Flute à bec, Saxophone, Trumpet, Trombone, Clarinette, Hautbois, Guitare, Harp, Valiha, Mandoline, Banjo, Percussion, Batterie ary ny Vocale.
Mandray ny mpianatra rehetra 7-14 taona ny Sekoly ho an’ny mpianatra mozika, ary tanora 13 taona mihoatra ho an’ny mpianatra mihira (Vocale).
Raha maniry hampianatra ny zanakao ianao dia afaka miantso ny mpiandraikitra avy hatrany maka rende-vous d’entretien.
Ny tanora hianatra mihira kosa dia miantso avy hatrany rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Ray aman-dReniny tsara.
Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy
BP. 8147 Antananarivo 101 Madagasikara
Phone num : +261 34 46 165 00
Siteweb : https://lalamasaka.mg
Mail : hermysand@gmail.com – musicsandvoiceorchestra@gmail.com
Page Facebook : Musics and Voice Orchestra